Mitombo ny loza ateraky ny faharatsian'ny lalana, hoy izy, ary tena tsy rariny na “injustice” izany. Samy miaritra sy mitazana eto tokoa ve izany manoloana ny zava-misy? Isan’ny fanontaniana napetrany io ary noresahany manokana tao anatin’izany moa ireo lalam-pirenena RN7 sy RN34. Tetsy ankilany koa ny mpanao politika sady mpamakafaka, Faniry Razafimanantany, dia nitatitra an-tsary tao anaty tambazotran-tserasera tao ny diany tany amin’iny lalam-pirenena faha 6 na RN6 iny. Izao, hoy izy, izany no lalana heverina hitondra fampandrosoana eto Madagasikara aty amin’ny taona 2023. Lalana mamotaka sy iandronana ranom-potaka na koa ilay esoin’ny mpanara-baovao sasany amin’ny hoe “piscine”.
J. Mirija
Nitrangana lozam-pifamoivoizana nahatsiravina indray omaly Alahady tany amin’ny lalam-pirenena faharoa,
Nankatoavin'ny Filan-kevitry ny Minisitra ny omaly 27 septambra ny hirosoana amin'ny fanaovan-tsonia ny