tahaka ny tany tsy misy fanjakana, toy ny tongo-bakivaky ka sady marary no mahamenatra, hoy ny mponina. Tafiditra ao anatin’ny làlam-pirenena faharoa sy làlam-pirenena faha-44 ny ao Moramanga, izany hoe: anjaran’ny Fanjakana ny mikarakara sy manajaray azy, kanefa manana adidy ihany koa ny kaominina. Mbola olana ihany koa anefa ny raharaham-pitantanana ao Moramanga satria mpitantana efa lany daty no misy, hoy ny mponina. Noterena naverina ny fifidianana ao an-toerana izay nandresen’ny Antoko mpanohitra dia ny TIM saingy tsy tanteraka hatramin’izao. Tsy ao Moramanga ihany, fa ny RN2 mampitohy an’Antananarivo sy Toamasina mihitsy no efa ratsy tanteraka, kanefa isan’ny iainkinan’ny toekarem-pirenena noho izy hifamezivezen’ny entana mamatsy ny firenena miainga avy any amin’ny seranan-tsambo. Raha ora 6 no nanaovana an’Antananarivo-Toamasina teo aloha, dia mahatratra hatrany amin’ny adin’ny 12 na 13 izany amin’izao fotoana izao. Efa nanaovana kabary politika sy kisehoseho ivelany nanomboka tamin’ny 2020, saingy hatramin’izao mihisatra ny asa. Raha mbola tohizana kely, handaniana adin’ny telo ny làlana Toamasina-Foulpointe amin’izao raha maina ny andro, ary adin’ny 5 vao mirotsaka kely ny erika sy ny orana. Fatiantoka iray lavaka no ateraky ny fahapotean-dàlana, isaky ny solika iray litatra vidian’ny mpampiasa fiara, dia misy ampahany makany amin’ny tahiry ho fikojakojana ny làlana, manodidina ny 28% amin’io vidin-tsolika io no makany amin’ny hetra sy tamberiny any amin’ny Fanjakana kanefa ireo iaraha-mahita ireo ny haratsin-dàlana. Manao ahoana marina ny fomba fitantanana ny vola hikojakojana ny làlana sa dia nisy nanodina sy nanakepoka tokoa? Manodidina ny 500 miliara Ar mantsy raha kely no isan’ny voahodinkodina raha ny novoizin’ny fampahalalam-baovao samihafa teo aloha teo? Mbola misy sa tsy misy vola ahafahana mikojakoja ny làlana? Ny volan’ny orinasa nikojakoja ny làlana tetsy andaniny roa taona mitaky ihany ka atao mahagaga ve raha izao ny zava-misy? Isan’ny vokatry ny tsy fandoavana volan’olona ve izao ka tsy misy sahy miditra amin’ny tsenam-panjakana ireo orinasa noho ny ahiahy fa tsy ho azo ny vola?
Toky R
Haharaisana fitarainana hatrany ny tsy fanarahan-dalana hataon’ireo taksibe eto