airtel

Fifamoivoizana

11-avril-2024

MOTO TAFASITRIKA TAO AMBANY KAMIAO

Zaza iray no namoy ny ainy tao Antsirabe

Sample post image

Nitrangana lozam-pifamoivoizana nahatsiravina omaly Alarobia 10 Aprily tokony

11-avril-2024

ho tamin’ny 01 ora sy sasany folakandro tao amin’ny Fokontany Andrefan’ny Star , lalam-pirenena faha-34. Moto iray voalaza fa nitondra zaza roa no tafasitrika tany ambany kamiao iray lehibe ka namoy ny ainy ny zaza iray. Vao 03 taona monja ity farany raha 06 taona kosa ny iray. Ho an’ity farany sy ilay lehilahy nitondra ilay moto dia fantatra fa mbola afaka nentina notsaboina any amin’ny hopitaly izy ireo ary efa nahazo ny fitsaboana sahaza azy. Ilay zaza iray kosa tsy azo nialana nenina intsony fa maty teo noho eo. Raha araka ny fantatra moa dia vokatry ny tsy fitandremana no nahatonga ny loza. Efa notazonin’ny mpitandro ny filaminana hatao fanadihadiana moa ilay mpamily raha efa nalefa any amin’ny tranom-paty kosa ny razana.
Pati
Legende : Ity ilay kamiaobe namoa-doza !
 

Dans la même rubrique

15-mai-2024

Mirongatra sy mahazo vahana ny lozam-pifamoivoizana eto amintsika.

Card image cap
15-mai-2024

Tranga roa samihafa no niseho teto amintsika Omaly Talata 14 May mikasika ny tsy fanarahan-dalana

Card image cap
14-mai-2024

vao ny atoandro no nisy fiara nifandona tamin’ny kodiaran-droa na «moto»

Card image cap