ka nahitsaka ny lohan’ny mpanamory !?
Raim-pianankaviana iray no maty tsy tra-drano tamin’ny lozam-pifamoivozana teny Amoronankona omaly maraina. Hery Ranaivosoa, filoha teo aloha sady isan’ireo mpanorina ny Syndicat des Industries de Madagascar (SIM), ary talen’ny famoahana ny gazety Revue de l’Océan Indien (ROI), ity lasibatra tamin’ny loza nahafaty izao. Anisan’ireo nanana ny lazany teo amin’ny sehatry ny indostria sy ny asa fanaovan-gazety teto Madagasikara. Voalaza raha araka ny filazam-baovao vonjimaika, fa nodomina fiara ilay moto nentiny ary nipitika i Hery Ranaivosoa. Rehefa nikasa hitsoaka ilay fiara, dia voahitsany indray izy, ary teo amin’ny faritry ny lohany no notetezin’ny kodiarana, ka nipotsaka tanteraka. Mety hifandraika amin’ny « homicide involontaire », « délit de fuite » ary « non-assistance à personne en danger » ity raharaha ity, saingy ny fanadihadiana sy ny fitsarana no tena hamaritra azy. Efa eo am-pelatanan’ny manampahefana ny fanadihadiana ary andrasana ny tohin’ny raharaha. Araka ny lalàna malagasy, ny vono olona tsy niniana natao (homicide involontaire) dia famonoana olona tsy nahy vokatry ny tsy fitandremana, ny tsy fahamalinana na ny tsy fanarahana fitsipika, ka voasazin’ny Andininy faha-319 ao amin’ny fehezan-dalàna famaizana izay mamaritra sazy 3 volana ka hatramin’ny 2 taona an-tranomaizina sy lamandy 200.000 Ar ka hatramin’ny 6.000.000 Ar ho an’izay tompon’andraikitra. Ny fandosirana na « délit de fuite » kosa dia ny fandosirana ny toerana nitrangan’ny loza mba hialana amin’ny andraikitra ara-dalàna, dia heloka voasazin’ny andininy faha-4 amin’ny Lalàna laharana faha-62-006 momba ny fandaminana sy ny fanaraha-maso ny fifamoivoizana, ka mety hiteraka sazy 1 volana ka hatramin’ny 1 taona an-tranomaizina, ary mety ho mafimafy kokoa raha nahafaty na nandratra olona ilay loza. Farany, ny « non-assistance à personne en danger » na ny tsy fanampiana olona tandindomin-doza nefa azo atao tsy mampidi-doza ny tena, izay voafaritry ny Andininy faha-63 andalana faharoa ao amin’ny fehezan-dalàna famaizana, dia mety miteraka fanasaziana 6 volana ka hatramin’ny 2 taona an-tranomaizina ny olona tsy manatanteraka izany adidy izany. Mila mitandrina ny rehetra satria mba tsy hitera-doza ho an’ny tenany sy ny hafa ! Mirary fiononana feno ho an’ny fianankaviana namoy havana.
Toky R