izay tsy mbola voaloan’ny Fanjakana ny volan’izy ireo. Diso fanantenana tanteraka kanefa ny volana aogositra, dia nisy ny fihaonana tamin’ny Filoham-pirenena, ary nahazo toky fa aloa ao anatin’ny 3 andro ny volan’izy ireo. “Nandray anay tao Ambohitsorohitra tamin’ny 02 aogositra 2022 ny Filoham-pirenena, hoy izy tsy fombako, tsy toetrako izany hamono ny “enterprise” izany. Hoy ny filoha hoe: haloako ao anatin’ny telo andro ny volanareo, ary tehaka mirefodrefotra no nasetrinay satria velona indray ny Malagasy kely. Nanantena fa mba farahafatarany mba mianatra tsara ny zanaky ny tena satria efa izao no mahazo, maro ny zaza tsy mianatra, mafy,…”, hoy ny mpitondra tenin’izy ireo. Betsaka no mivaro-pananana ankehitriny. “Mafy izy ity, efa maro no mandeha ny fanenjehana ara-pitsarana (pousuite judiciaire) any noho ny taratasim-bola tsy misy antoka (cheques sans provisions), ao ny efa atao lavanty ny trano sy ny fiara, ao ny tapaka lalan-dra, efa tsy tenenina intsony ny maty moa efa maromaro ihany potika ny fiainan ny fianakaviana tena famonoana olona, ny asa anefa vita jiaby”, hoy ny fanamafisana voaray omaly. Izy ireny moa no mamoaka vola, mitrosa fitaovana,… rehefa mahazo ny tsenan’asa, avy eo vao alohan’ny Fanjakana ny vola. “20 taona aho niasa tamin’ny FER (Fonds d’Entretien Routier) fa tsy mbola nisy tahaka izao, voaloa ara-dalàna, ary tena tsorika, mijoro vavolombelona aho fa tamin’ny andron’ny Filoha Ravalomanana dia 5 andro dia voaloa ny vola, tamin’ny andron’ny Filoha Rajaonarimampianina 15 andro dia voaloa ny volan’ny orinasa, voaloa ara-dalàna, fa tamin’ity tena diso fanantenana tanteraka. Eo amin’ny 33 miliara ny volan’izy ireo. Ny mahagaga, nanao valan-dresaka ny Tale Jeneralin’ny tahirimbolam-panjakana ary nilaza fa misy 546 miliara Ar ny volan’ny FER ka maninona no tsy aloa ny anay. Mampalahelo, ny asanay anefa vita ara-dalàna”, hoy hatrany ny ampaham-panazavana.
Toky R
Haharaisana fitarainana hatrany ny tsy fanarahan-dalana hataon’ireo taksibe eto