Mahajanga hatramin’ny nandalovan’ny rivo-doza Cheneso teto amintsika. Noho ny tahotry ny olona ny ranobe eny am-pandehanana sy ny fahatapahan-dalana no mahatonga izany. Tsy nisy afa-tsy 60 ka hatramin’ny 70 isa intsony vokatr’izany ireo fiara miainga etsy amin’ny tobim-piantsonana gara Maki Andohatapenaka isan’andro. Mikasika ny fahatapahan-dalana ao amin’ny PK 378 ao Belobotra, distrikan’i Maevatanana anio zoma 03 febroary maraina dia tsy hisy fiantraikany amin’ny fitaterana miazo iny lalam-pirenena iny izany raha araka ny fantatra hatrany. Ho an’ireo miainga maraina dia tsy hisy mihitsy ny olana hoy hatrany ny tompon’andraikitra satria mbola tsy tonga any Maevatanana ilay fiara dia efa hifarana ilay adin’ny fito, fotoana haharetan’ilay fahatapahan-dalana. Toraka izany koa ireo fiara miainga amin’ny hariva izay hilamina tanteraka hoy hatrany ny tompon’andraikitra.
Pati
Haharaisana fitarainana hatrany ny tsy fanarahan-dalana hataon’ireo taksibe eto