airtel

Fifamoivoizana

24-févr-2023

Fifamoivoizana

Mpandeha tavela teny amin’ny fasan’ny karana

Sample post image

Omaly avokoa vao afaka namonjy fodiana

24-févr-2023

Mpandeha maromaro nanomboka ny Talata lasa teo no nihitsoka tetsy amin’ny tobim-piantsonan’ny Fasan’ny Karana ary tsy afaka namonjy fodiana noho ny fandalovan’ilay rivo-doza Freddy teto amintsika. Handeha hamonjy fodiana any Faradofay ny ankamaroan’izy ireo raha araka ny vaovao azo saingy tsy maintsy najanona niaraka tamin’ireo mpandeha hafa rehetra niazo ny lalam-pirenena fahafito ho fiarovana ny ainy. Nomen’ny tompon’andraikitra teo anivon’ny tobim-piantsonana Fasan’ny Karana trano araka izany izy ireo natoriany. Nomena fotsim-bary sy rano nahafahany nidio sy nahandro sakafo ihany koa raha araka ny fanazavan’Atoa Martin Andriamparany, tompon’andraikitra voalohany eo anivon’ity tobim-piantsonana iray ity. Omaly moa izy ireo vao afaka namonjy fodiana avokoa noho ny fisokafan’ny lalam-pirenena fahafito. Tsiahivina moa fa misy amin’izy ireo no mponina any an-toerana mihitsy raha misy koa ireo olona mivezivezy mikarama.
Pati
 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Nisehoana lozam-pifamoivoizana mahatsiravina teny amin'ny Holcim Ambohimangakely omaly 18 aprily

Card image cap