airtel

Fifamoivoizana

10-août-2022

Fifamoivoizana

Mpandeha tonga eny Ivato Tsy terena hanao fitiliana intsony

Sample post image

Miova ny fepetra ara-pahasalamana amin’ny fidirana an’I Madagasikara manomboka rahampitso alakamisy 11 aogositra 2022, araka ny fanamafisam-baovao nivoaka omaly momba ny fihaonana teo amin’ny Fitondram-panjakana

10-août-2022

sy ny Vondrona Eoropeanina ny alatsinainy teo. Mifarana, ary tsy hisy intsony ny fakana singa hanaovana “tets antigéniques” ireo mpandeha migadona eto Madagasikara manomboka rahampitso. Ny 1 jolay teo, nangataka ny haneken'i Madagasikara ny taratasy manamarina ny fahavitan'ny vakisiny avy any Eoropa ny Vondrona Eoropeanina. Izy ireo izay naneho fa hanome lanja ny taratasy manamarina fa vita vaksiny ny Malagasy iray ka hahazo alalana malalaka amin’ny fandehanany any Eoropa. Tsy voatery hampiseho taratasy manamarina ny fitiliana PCR miiba intsony. Nangataka ny hanaovan’I Madagasikara setriny sy fepetra mitovy amin’ny azy moa ny Vondrona Eoropeanina. Hatreto, na ireo vita vaksiny tanteraka aza, mbola takiana eto Madagasikara ny taratasy manamarina fa tsy mitondra ny tsimokaretina coronavirus na “PCR négatif” izay mampimenomenona ireo mpandeha satria tsy misy fanaovana izany intsony ny ankamaroan’ireo seranam-piaramanidina any ivelany, ka voatery mamonjy ivon-toerana ara-pahasalamana manokana.
Toky R
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Efa mampiasa ny angovo azo havaozina ny seranam-piaramanidina ao Nosy-Be,

Card image cap
24-avril-2024

Manohy sy manamafy ny fanoherana ny fampadalovana izany «ligne téléphérique »

Card image cap