taorian’ny grevy fanairana nandritra ny telo andro ny 23-24-25 septambra teo. Miato mandritra ny 10 andro ny fitokonana, ary miandry fifampiresahana tahaka ny ASECNA rehetra eto Afrika izy ireo satria ao anatin’ny firenena 17 no iasan’io. Manambana hiverina hanohy ny fitokonana, raha sanatria ka tsy misy ny valiny mahafa-po. Tokony ho ny governemanta sy ny filoha avy hatrany no miditra an-tsehatra mamaha olana, tahaka ny nataon’ny Filoha tany Sénégal. Isan’ny takian’izy ireo mafy ny fanatsarana ny fomba fisitrahan-karama. Tezitra amin’ny fihetsiky ny Tale Jeneraly tamin’ny fanapahan-kevitra momba ireo mpiasa moa ny sendika mivondrona ao anatin’ny USYCAA (Union des syndicats des Contrôleurs de la Circulation Aérienne de l’ASECNA), ary naneho fa mpiasa havan’ny Tale Jeneraly sisa ireo vitsy an’isa miisa 9 amin’ny mpisa 54 niasa tamin’ny grevy. Hivory any Dakar Sénégal ny Minisitra ny fitaterana rehetra ao anatin’ny Firenena misy ny ASECNA ny 17 oktobra izao handinihana ity raharaha ity.
Toky R
Eo am-pikarakarana ny fangatahana famerenam-bola azon’izy ireo hatramin’ny 1 Aprily 2022
10km miala na hiditra an'Ambatolampy ilay lalana amboarina, hoy ny tatitr’ireo
Tovolahy iray 16 taona no notetezin'ny kamiao afak'omaly Sabotsy 24 May tany Betroka.
Mirongatra ny lozam-pifamoivoizana eto amintsika.