airtel

Fifamoivoizana

14-janv-2026

Nahitsy ny Lehiben’ny

Faritra Analamanga

Sample post image

Lasa fitangosana vola ny trano fiantohana MAMA,

14-janv-2026

mila tamberin’andraikitra »
Nahitsy ny Lehiben’ny Faritra Analamanga nilaza omaly, fa lasa fangalana vola sy fitangosana vola fa tsy fanomezana fahafaham-po ny Orinasam-piantohana MAMA, ka tsy misy mihitsy ny tamberin’andraikitra tokony hositrahan’ireo mpandoa fiantohana. Efa hatrany amin’ny taona 2019 no nitaraina hatrany amin’ny Fitsarana ireo mpitatitra sy mpikambana saingy tsy nisy valiny, fa antsojay tamin’ny mpiasa sahy nijoro no natao. Izay sahy nijoro nanaovana antsojay, ka mpiasa 2 no noroahina tamin’ny 2019 rehefa namoaka ny zavatra tsy nety, ary ny faran’ny 2025 teo dia mpiasa 3 indray no noroahina sy notoriana teny amin’ny cybercriminalité sy ny Fitsarana. Na misafidy fiantohana hafa aza ka MAMA ny mifandona amintsika, dia miara-miesona mandritra ny taona maro, hoy izy. Izay no antony nitakian’ireo mpitatitra fanavaozana, tonga hatrany amin’ny Filohan’ny Fiadidian’ny fanavaozana ny repoblika, raha ny nambarany. Tsy misy fitantanana madio, misy sady Filohan’ny Filankevi-pitantanana PCA no manao Tale Jeneraly izay asa tsy azo afangaro. Maro be no safidy amin’ny orinasam-piantohana, kanefa maro be no mitaraina fa rehefa tojo lozam-pifamoivoizana dia arirarira, ampifilafilaina, misy miakatra fitsarana mihitsy. Fotoanan’ny fanavaozana izao ka mitaky an’izany koa ny mpitatitra, niakatra tany amin’ny Faritra, tany amin’ny Minisiteran’ny vola, Minisiteran’ny toekarena, hatrany amin’ny Fiadidian’ny Repoblika,… ny Fitaterana, ka izy no nisolo tena ny Fanjakana nampahafantatra ny fanapahan-kevitra noraisina hanavaozana ny Fitantanana io orinasam-piantohana io omaly. Tanjona ny hoe rehefa misy ny loza dia tsy arirarira ireo tratran’izany, voajery sy tsy iharan’ny antsojay ny mpiasa,… Efa ela ny olan’ny MAMA, efa ela ny hosoka sy fanararaotana samihafa, tonga hatrany amin’ny resaka Fanjakana satria ny mpitatitra dia manao asam-bahoaka. Vahoaka marobe ny mpikambana fa tsy mpitatitra ihany, ka tsy maintsy miditra ny Fanjakana. Mijery ny hamahana ny olana. Mitaraina ny mpitatitra ka raha toa moa ka ho tonga hatrany amin’ny grevin’ny mpitatitra dia inona no hitranga ? Misoroka an’izany ny Fanjakana ary miezaka mitondra fanavaozana, raha ny nambaran’ny Governoran’Analamanga. Miandry ny fanatanterahan’ny fanapahan-kevitra noho izany ny rehetra, ary mitaky ny tsy hisian’ny antsojay amin’ny mpiasa intsony, raha ny nambarany.
Toky R

 

Dans la même rubrique

05-mars-2026

Ela tsy nisy vahaolana, araraotin'ny fitaterana hanaovana gaboraraka

Card image cap
04-mars-2026

Napetraka ny laharam-pahamehana sy ny tondrozotra

Card image cap