fampiantoana ny "police de la route" na ny PR izay niato fotoana ela satria nisy ny fanabeazana tamin'ireo mpampiasa lalana rehetra tsy ankanavaka na ny mpandeha an-tongotra na ny kodiaran-droa indrindra ireo fiara mpitatitra, tafiditra ao anatin'izany ny fanentanana ireo kaoperativa rehetra eto amin'ny kaominina Antananarivo, raha ny fanazavan'ny polisim-pirenena. Hiverina kosa ny izany ankehitriny, taorian'ny fiatoana nanomboka ny 5 novambra 2025. "Ho entitra ny fampiharana ny lalàna ho an'ireo Polisy rehetra manerana an'i Madagasikara amin'ny fandikana ny lalàna ny fifamoivoizana" hoy ny Tale Jeneralin’ny Polisim-pirenena nandritra ny atrikasa izay niarahana teo anivon'ny polisim-pirenena sy ny kaominina Antananarivo. Tsy misy olona ambonin'ny lalàna, hoy izy, na iray ary eto amin'ny tany sy ny repoblika, ilaina ny fanentanana sy ny fanabeazana ka olom-pirenena vanona no andrasana amin'ny tsirairay. Nisy ny atrikasa niompana tamin'ny fitadiavam-bahaolana miaraka ary mirindra amin'ny famerenana ny "police de la route" izay niato nadritra ny fotoana ela, izay tsy midika anefa hoy ny Tale jeneralin'ny Polisim-pirenena fa baranahany ny tany sy ny fanjakana nandritra izay fiatoana izay fa niompana tanteraka amin'ny fanabeazana maha olom-pirenena vanona mba hitovy fomba fijery avokoa ireo mpampiasa lalana sy ireo mpampihatra lalàna rehetra. Hatomboka eto amin'ny Faritra Analamanga ny famerenana amin'ny laoniny ny fampiaharana ny lalàna ka manana herinandro aorian'ity atrikasa ity ireo tomponandraikitra eo anivon'ny polisim-pirenena hijery ifotony raha mbola misy Polisy mandika lalàna tsy mahafehy tanteraka ny asany amin'ny fampiharana ny lalàna mikasika ny fifamoivoizana sy ireo mpampiasa làlana rehetra. , hoy hatrany ny polisim-pirenena. Efa nandefasana fampahafantarana na "notification", ka hobataina amin'ny "etsy babeko" ireo fiara mibahan-dalana izay misy tsy 24ora intsony, fa efa 7/7 andro. Ho avy ihany koa ny "taquet d'arrêt",...
Toky R
Miaramila miisa 30 avy eo anivon’ny Jenia Miaramila