Mpitondra moto iray no tra-doza teo amin’ny PK 95 eo Igararana ka maty tsy tra-drano. Voalaza fa nanao “randonnée”, niaraka tamin’ny namany mitondra moto maromaro izy io, ka efa dify lavitra ireo namany moa izy tra-doza nidona tamin’ny “balise” teo amin’ny sisin-dàlana. Tsy hitan’iretsy lasa aloha noho izany, fa niharan-doza ary maty tsy tra-drano ity mpitondra mpanamory namany. Nentina tany amin’ny Hopitalin’i Miarinarivo ny faty tamin’ny ora nanoratanay, ka nomena toromarika hamonjy io toerana ireo mahafantatra azy. Mila manana fahamailoana hatrany ny mpampiasa làlana satria tsy ananam-piry ny aina, ary ny loza tsy mampiomana.
Nangonin’i Toky R
Haharaisana fitarainana hatrany ny tsy fanarahan-dalana hataon’ireo taksibe eto
Olona 2 no fantatra fa namoy ny ainy tao anatin’ny herinandro teto amintsika