airtel

Fifamoivoizana

11-août-2022

Fifamoivoizana

Nandratra sy nahafaty olona Karohana ilay mpamily taksibe 162

Sample post image

Tena misy amin’ireo taxibe no manao ny hataony. Ankoatra ny fanaovana tsinontsinona mpandeha na dia efa niakatra aza ny saran-dalana dia

11-août-2022

misy ihany koa ireo mahavita mandona sy mamono olona mihitsy toy ity taksibe iray 162 nentin- Rakotoarimanana Lucien Moria Nathanael ity. Raha araka ny loharanom-baovao azo dia nandona mpandeha an-tongotra miisa 3 izy io ka naratra mafy avokoa ireto farany. Mbola nandona mpitondra moto iray ihany koa ity taxibe ity taorian’izany ka tsy tana ny ain’itsy voalohany noho ny dona mafy nahazo azy. Teto an-drenivohitra no nisehoan’izany. Tsy mba fanetren-tena ihany anefa ilay mpamily fa mbola lasa nandositra ka namoahan’ny Polisim-pirenena fikarohana sy ombay mitady. Mbola tsy hita izy io hatramin’ny fotoana nanoratanay omaly hariva. Azo hatao araka izany ny miantso ny laharan-tarobia 034 05 517 24 ho an’ireo izay mahita na mahafantatra ity mpamily hita amin’ny sary ity. Nangonin’i Pati
Legende : Ity ilay mpamily namono olona nefa nitsoaka !
 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Nisehoana lozam-pifamoivoizana mahatsiravina teny amin'ny Holcim Ambohimangakely omaly 18 aprily

Card image cap