airtel

Fifamoivoizana

28-déc-2022

Fifamoivoizana

Nidofotra tamin’ny hazo ilay fiara Olona 7 no maty tany Manakara

Sample post image

Olona miisa 7 be izao no indray namoy ny ainy tany Manakara vokatry ny lozam-pifamoivoizana niseho tany Manakara omaly.

28-déc-2022

Tany amin’ny 10 km mialohan’ny hidirana ny tanànan’I Manakara no niseho ny loza omaly tokony ho tamin’ny 3 ora tolakandro. Fiara tsy mataho-dàlana marika Toyota ity tra-doza ity, ka heverina ho fivoan-dalana no fototry ny loza. Nidona tamin'ny hazo ilay fiara ka potika tanteraka ny aloha. Voalaza fa, avy namonjy fotoam-pivavahana tany Vohipeno ireo olona tao anatiny. Mpitsabo roa, mompera sy masera ary olon-tsotra iray no namoy ny ainy. Avy amin'ny Fondation Médicale Ampasimanjeva izy ireo, raha ny fanazavana. Maty teo noho eo izy ireo, raha toa ka tany amin'ny hopitaly no namoy ny ainy ny olona roa hafa ary mbola manaraka fitsaboana ny rmpandeha roa hafa, raha ny vaovao avy tany an-toerana. Matetika hitrangana lozam-pifamoivoizana mahatsiravina tahaka izao rehefa faramparan’ny taona noho ny fitomboan’ny fifamezivezena, ny haratsian-dàlana, ny fandehanana mafy,… ka entanina hatrany ny rehetra ho mailo sy hitandrina na ho an’ny ara-teknikan’ny fiara na ho an’ny fomba familiana. Mirary fiononana feno kosa ho an’ny fianakaviana namoy ny havana aman-tsakaiza.
Toky R
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Efa mampiasa ny angovo azo havaozina ny seranam-piaramanidina ao Nosy-Be,

Card image cap
24-avril-2024

Manohy sy manamafy ny fanoherana ny fampadalovana izany «ligne téléphérique »

Card image cap