airtel

Fifamoivoizana

17-mai-2022

Fifamoivoizana

Nilaozan’ny « frein » Nifatratra tany amin’ny fanariam-pako ilay kamiao

Sample post image

Kamiao kely iray mpitatitra simenitra no tapaka tsindry hisatra omaly maraina teny Ambolokandrina.

17-mai-2022

Raha araka ny fantatra dia avy tany amin’ny lalana bibilava ity kamiao kely mpitatitra simenitra ity no nidina ka nifatratra tany amin'ny fanariana fako tsy lavitra faran'ny taxibe 182, izay eo amin’ny fidinana be tokoa. Mpamily sy olona roalahy mpibata simenitra no tao anatiny. Na izany aza tsy nisy ny aina nafoy raha nisy kosa ny naratra. Mety ho nitsoraka tany amin’ny tranon'olona ambadiky ny tamboho ilay fiara raha tsy nisy ilay fanariam-pako io raha araka ny fanazavan’ny mponina. Mety ho loza ihany koa no nitranga raha nisy mpivarotra teo akaikin’ilay fanariam-pako. Matetika mantsy no misy ireny mpitondra gilasy na mofokely mandehandeha ireny eny amin’iny faritra fijanonan’ny taxibe iny. Aleo mailo hatrany araka izany fa lahitokana ny aina.
Nangonin’i Pati
Legende : Nandritra ny loza
 

 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Vao mifoha maraina handeha hianatra na handeha hiasa, vao mahita fiara manatroka be, ombin-tsarety,

Card image cap
25-avril-2024

Efa mampiasa ny angovo azo havaozina ny seranam-piaramanidina ao Nosy-Be,

Card image cap