airtel

Fifamoivoizana

20-févr-2024

Ny RN2 potika, ny « Autoroute » mbola poakaty…

Henjana ny fatiantoka ara-toekarena aterany

Sample post image

Mampikolay ny rehetra ny faharatsiana sy fahasimban’ny RN2 mampitohy

20-févr-2024

an’Antananarivo sy Toamasina. Fiara lehibe iray no mibahan-dalana mitsivalala ao Ambatolaona omaly nanomboka tamin’ny 01 ora sy sasany maraina, ary tsy afaka raha tsy ora maro. Nitondra vary hatrany amin’ny 40 taonina io no nivadika, ka niteraka olana ho an’ny rehetra. Vokany, tapaka tanteraka ny fifamoivoizana amin'ny RN2 Ambatoloana alohan’ny Station Jovena omaly, izay tena kilaometatra maro ny fitohanana. Raha afaka teo Ambatolaona anefa ireo fiara marobe dia efa niandry ihany koa ny fitohanana 17 km tsy hidirana an’i Brickaville omaly takariva. Ratsy loatra ny làlana ka miteraka fahasimban’ny fiara, ka lasa nibahana ny rehetra. Toerana efa matetika mampianjera kamio ity toerana ity efa herintaona mahery izay mbola tsy vita, hoy ny fampahatsiahivana niaraka tamin’ireo sary maromaro mirakitra ny fivadihan’ireo fiarabe. Tena potika ny RN2 izay tena manana anjara toerana goavana ara-toekarena ho an’i Madagasikara noho izy mampifandray ny seranantsambo lehibe indrindra ivoahan’ny 80%n’ireo entana avy any ivelany haparitaka manerana ny Nosy. Rehefa potika ny làlana dia mazava ho azy, fa mitombo ny fahalaniam-potoana, mitombo ny mason-karenan’ny mpitatitra amin’ny lafiny piesy sy ny solika,… Tany aloha raha vita eo amin’ny ora 6 eo ohatra Antananarivo-Toamasina dia mety handaniana hatrany amin’ny 13 ora na mahery, izay midika fa mety hitombo avo roa heny ohatra ny solika. Ny resaka saran-dàlana sy fandaniana no mety hita mivantana, fa tena miantraika ara-toekarena sy amin’ny vidim-piainana mazava, ary tena mipaka any anaty vilany mazava ho azy. Efa an-taonany ny fitarainana momba ity RN2 ity saingy fampanantenana sy sehoseho no betsaka, ary toa tsy mahomby ny « tip top ». Zara aza mba ny nisy ny Japoney nanao fanomezana ny fanamboarana ireo tetezana roa lehibe, fa ny fikojakojana izay tena adidin’ny fitondram-panjakana aloha toa tsy hita be ihany. Ny « Autoroute » nampanantenaina mbola serasera no betsaka fa tsy hita izay lohany sy vodiny hatreto, ary ny 80km nampanantenaina ho vita hatramin’ny faran’ny taona 2023 teo aza tsy hita izay tena vokany na voalaza fa efa nanokanana 301 miliara Ar aza. Ny efa misy eo ihany koa anefa dia io potika tanteraka ka asa iandrasana ho tahaka ny ahoana vao handraisana andraikitra ? Tsy ny RN2 ihany fa saika ny làlam-pirenena rehetra no tapitra potika noho ny tsy fisian’ny fikojakojana ara-potoana raha tsy hilaza afatsy ny RN4, RN6,… Ny fampanantenana anefa mipoapoaka ! Izao ve ilay hoe : Madagasikara tsy maintsy mandroso ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

14-mai-2024

vao ny atoandro no nisy fiara nifandona tamin’ny kodiaran-droa na «moto»

Card image cap
13-mai-2024

Ranolava ny tsikera mikasika ny fisiana tsolotra sy kolikoly eny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato,

Card image cap
13-mai-2024

Zaza miisa 2 no maty ary zaza iray no mbola any amin’ny hopitaly,

Card image cap
13-mai-2024

Fiara nitondra mpianatra , niala avy any Andranomafana , distrikan’Ifanadiana omaly Alahady 12 May

Card image cap
13-mai-2024

Tsy manao asa ratsy eo amin’ny faritra misy azy ny ankamaroan’ireo jiolahy eto an-drenivohitra sy ny manodidina

Card image cap