Vehivavy miisa 4 sy zazakely vao amam-bolana ireo namoy ny ainy ireo. Raha tsiahivina kely ny tantara dia botry iray niala avy any Maintirano ny Sabotsy teo ity tra-doza ity. Vaky izy rehefa tratry ny onjan-dranomasina mahery vaika ka rendrika tanteraka tokony ho tamin'ny 4ora 30 ka hatramin'ny 5 ora hariva teo raha nikasa hiditra an’i Morondava. Miisa 17 moa ireo olona tao anatiny ka ny 9 mpandeha raha ekipan'ny mpitondra botry kosa ny 8 izay samy tsy nisy naninona. Mbola manaraka fitsaboana ao amin’ny hopitaliben’i Morondava araka izany ireo mpandeha 4 ambiny.
Nangonin’i Pati
Haharaisana fitarainana hatrany ny tsy fanarahan-dalana hataon’ireo taksibe eto
Olona 2 no fantatra fa namoy ny ainy tao anatin’ny herinandro teto amintsika