Fiara minibus Mazda nanao taingimbe no tra-doza tao avaratr'Ambohimahazo Imady, Faritra Amoron'i Mania ny marainan'ny sabotsy 18 jolay 2026. 25 ireo olona tao anaty fiara anatiny miaraka amin'ny entana mavesatra, ka namoy ny ainy ny 2 vokatry ny lozam-pifamoivoizana. Voalaza fa fahatapahan'ny hisatra no nahavoa azy, nivoaka ny lalana ny fiara tao anaty fiolahana ka nivarina tany an-tanimbary. Mpamily mpanampy no nitondra ny fiara, izay voalaza fa tsy nanana fahazoan-dalana hitondra fiara. Namoy ny ainy io. Nisy lehilahy iray tamin'ireo mpandeha koa namoy ny ainy teo amin'ny toerana nitrangan'ny loza. Herintaona taona sy tapany ny zandriny indrindra ary 60 taona ny zokiny indrindra amin'ireo mpandeha nentin'ilay Mazda. Tsaboina ao amin’ny CHRR Ralalaonirina Ambositra ireo maratra. Tanora hiatrika fanadinana bakalorea amin'ny Alatsinainy ny roa amin'izy ireo saingy tsy dia atahorana ny toe-pahasalamany. Misy vehivavy iray mitondra vohoka ihany koa naratra, iray tamin'ireo namoy ny ainy teo amin'ny toerana nitrangan'ny loza ny vadiny. Misy zazalahy kely 8 taona no voatery nalefa aty Antananarivo niaraka amin'ny reniny noho ny hamafin’ny ratra nahazo azy. Maimaimpoana ny fitsaboana ireo maratra amin'ny alalan'ny "Fonds d'urgence". Tonga nitsidika sy nanolotra fanampiana ho an’ireo niharam-boina ny solontenm-panjakana ao an-toerana notarihin’ny Lehiben’ny Faritra Amoron'i Mania Rakotomalala Hari-Liva sy ny Prefen'Ambositra Rakotomalala Richard.
Jean D.
Ireo maratra tsaboina ao amin'ny hôpitaly CHRR Ralalaonirina Ambositra