airtel

Fifamoivoizana

10-janv-2024

Potika noho ny tsy fahaiza-mitantana ny làlana

Sahirana ny vahoaka, midangana ny vidim-piainana,…

Sample post image

Miharihary tsy takona hafenina ny fahapotehan’ny làlana manerana ny Nosy

10-janv-2024

amin’ny vanim-potoana fahavaratra izao. Saika hahenoana fahatapahana na fahasarotana ny làlam-pirenena manerana ny Nosy. Ny sasany aza tsy azo antsoina intsony hoe : làlam-pirenena, ary nofinofy ny naha làlana tsara efa vita ny sasany tany aloha. Isan’ny mampikolay ny olona, ohatra, iny RN 6 makany Ambondromamy Mandritsara iny amin’izao fotoana izao ; ny RN 13 misy fahatapahana eo Betroka. Ny làlana tsotra mampifandray ny kaominina sy ny distrika samihafa moa dia tena mampiteny ny moana ny ankamaroany. Izany makany Anosibe an’Ala izany efa tsy azo antsoina hoe : làlana intsony, efa nanaovana fihetsiketsehana sy fisehosehoana politika tsy latsaky ny in-droa fa ny eo ihany no eo. Izany làlana makany Ikongo izany na ny fiara tsy matahon-dàlana aza mitsoaka ! Ny làlana amin’ny tanàn-dehibe sy ny manodidina izany moa, dia betsaka no potika sy rotika raha ny hita eto Antananarivo sy ireo kaominina manakaiky azy,...

FATIANTOKA ARA-TOEKARENA
«Tsy ho an'ny hakanton'ny tanàna no nanamboarana ny làlana fa tena mampihena ny vidim-piainana. Mampihena ny fanafarana solika sy ny kojakoja (euro sy ariary). Manamora ny fivezivezena (mpamokatra, marary, fandriampahalemana sns). Dieny mbola lavaka kely dia aleo amboarina satria mora lavitra ny sarany noho ilay totofana tany dia avy eo andrasana potika tanteraka vao rakofana tara. », hoy ny fanehoan-kevitr’i Tahina Razafinjoelina, isan’ireo kandida Filoham-pirenena farany teo. Midika io mazava ho azy, fa tena miantraika mivantana amin’ny fiainana andavanandro ny faharatsiana sy fahapotehan’ny làlana satria miakatra ny mason-karenan’ny fitaterana, mitombo ny fandaniana solika, mitombo ny fahasimban’ny piesy izay miaka-bidy hatrany, tsy afaka mifamezivezy malalaka ny vokatra avy ao amin’ny toerana iray sy ny entana ilainy. Lasa fatiantokara ara-toekarena sy ara-tsosialy goavana, miakatra ho azy ny vidim-piainana satria tsy maintsy any amin’ny vidin-javatra ilain’ny mponina andavanandro no hanonerana ireny rehetra ireny.
KABARY NO BETSAKA, FITANTANANA TSY MAHOMBY
Zary lasa kabary ara-politika no betsaka rehefa zohiana ny zava-misy. Tany amin’ny Choiseul Africa Business Forum tany Casablanca Maroc ny oktobra 2022 no nilazan’Atoa Andry Rajoelina ny fanajariana ireo làlam-pirenena manerana an'i Madagasikara mba hampitombo ny fivezivezen’ny olona sy ny entanan nilazana fa tanjona ny hanamboarana lalana 6800km hatramin’ny 10.000km manerana any Nosy. Ny asa anefa tsy tena vita fa ny fandokafan-tena sy fampalazana tena ara-politika no betsaka sy lasa aloha. Nolazaina fa tsy hanao politika intsony raha tsy vita ny RN13 fa firy isan-jato izao no vita ? Nolazaina hovitaina hatramin’ny faran’ny taona 2023 ny 80km amin’ny Aurtoroute Antananarivo Toamasina fa firy km tamin’izany no tanteraka ? Marina fa misy ireo sasantsasany notokanana izay vita tao anatin’ny fitohizan-draharaham-panjakana ny ankamaroany, fa ny tena zava-misy dia na ireo vitan’ny teo aloha aza saika tsy voakarakara dia io iaraha-mahita io fahapotehana io izay vao mainka mampiakatra ny mason-karena amin’ny fanamboarana. Ny volan’ny FR (Fonds Routiers) izay natao hikojakojana ny làlana moa no betsaka ny fitantanana nampiahiahy toy ny resaka 400miliara Ar izay niteraka ampamoaka samihafa tany aloha. Ireny no mampihemotra ny mpiara-miombon’antoka,…
Toky R

 

Dans la même rubrique

14-mai-2024

vao ny atoandro no nisy fiara nifandona tamin’ny kodiaran-droa na «moto»

Card image cap
13-mai-2024

Ranolava ny tsikera mikasika ny fisiana tsolotra sy kolikoly eny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato,

Card image cap
13-mai-2024

Zaza miisa 2 no maty ary zaza iray no mbola any amin’ny hopitaly,

Card image cap
13-mai-2024

Fiara nitondra mpianatra , niala avy any Andranomafana , distrikan’Ifanadiana omaly Alahady 12 May

Card image cap
13-mai-2024

Tsy manao asa ratsy eo amin’ny faritra misy azy ny ankamaroan’ireo jiolahy eto an-drenivohitra sy ny manodidina

Card image cap