airtel

Fifamoivoizana

25-août-2022

Fifamoivoizana

Raharaha 25 tapitrisa dolaran’ny APMF Nanazava misimisy kokoa ny mpitantana

Sample post image

Tantara mitohy ity raharaha 25 tapitrisa Dolaran’ny APMF na ny sampan-draharaha misahana ny seranan-tsambo sy ny faridranomasina ary ranomamin’I Madagasikara malaza ankehitriny ity.

25-août-2022

Nitondra fanampim-panazavana ny fiadidiana ny fitantanana ity sampan-draharaham-panjakana ity fa sampan-draharaha Britanika maromaro izay nosoloin’ny IPP sy Exact Earth tena no nifanaraka tamin’ny fanjakana malagasy ka tsy nandeha irery tamin’io akory ny APMF fa teo koa ny CFIM, izay misahana ny fifanarahana eto anivon’ny firenena,ny sampan-draharaha misahana ny jono na CSP, ny vondron’ny mpiompy hazandrano sy makamba na GAPCM, ny etamazaorin’ny tafika an-dranomasina na EMMN, ny sampan-draharaha misahana ny fampanjariana ireo tekinolojia na ARTEC. Ny sampan-draharaha britanika amin’ny alalan’ny International Partnership Programme na IPP no mamatsy ireo tetikasa miisa 2. Ireo balizy miisa 50 SAT-AIS anatin’ny tetikasa OASIS-TU sy ireo 800 SAT-AIS anaty tetikasa MISIS-TU dia nomena maimaimpoana miaraka amin’ny fametrahana ny mombamomba ireo satelita miisa 58 an’i Exact Earth. Tsy nisy fifanarahana manokana teo amin’ny sampan-draharaha britanika sy ny APMF na koa hoe nataony tamin’ny tale jeneraly, araka ny ambaran’ny filazam-baovao sasany. Niaraha-nanapaka ny zava-drehetra ary efa nivoriana hatramin’ny taona 2018. Ny sorabola 25 tapitrisa dia vinavina napetraka niainga tamin’ny fikajiana ireo sambo miisa 6700 hatramin’ny 2019, taona nananganana ny tetikasa MISIS-TU. Vinavina natao ho vatsian’ny mpamatsy vola amin’ny alalan’ny IPP io fa tsy ho efain’ny governemanta malagasy aorian’ny tetikasa akory. Anjaran’ny fanjakana malagasy avy eo no manapaka raha mety aminy ny tekinolojia SAT-AIS na tsia. Tsy misy fanerena ny fanjakana malagasy hiditra amin’izany. Raha liana moa ny fanjakana malagasy dia ny sarany mikasika ireo satelita 58 isa izay manodidina ny 72 USD isan-taona, isaky ny balizy na 57.600 Dolara USD ho an’ireo balizy 800 isa fa tsy 25 tapitrisa USD izany, hoy hatrany ny fanazavana voaray.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Nisehoana lozam-pifamoivoizana mahatsiravina teny amin'ny Holcim Ambohimangakely omaly 18 aprily

Card image cap