airtel

Fifamoivoizana

25-janv-2024

Raharaha taksibe 154

Nidoboka any Tsiafahy ilay mpamily

Sample post image

Natolotra ny fampanoavana tetsy amin’ny fitsarana ambaratonga voalohany Anosy

25-janv-2024

omaly ilay mpamily Taxibe 154 nahafaty mpitondra scooter teo Mahamasina ny harivan'ny sabotsy teo, raha ny fampitam-baovao voaray. Fitanana am-ponja vonjimaika any Tsiafahy an'ilay mpamily no didy savaranonando navoakan’ny fitsarana. Hitohy amin’ny 6 febroary 2024 ny fanadihadiana lalina mikasika ity raharaha ity. Lozam-pifamoivoizana nahafatesan’olona na "accident mortel”, fandosirana rehefa nahavanon-doza na “délit de fuite”, vono olona na “meurtre" kosa no vesatra nanenjehana azy, raha ny fanampim-baovao voaray hatrany. Tsetsatsetsa tsy aritra, etsy ankilan’izay, ny mampahatsiahy fa isan’ireo zotra maha velon-taraina mpandeha ho mpanao izay danin’ny kibony indrindra moa ity zotra 154 izay mampitohy an’Amboditsiry hatrany Tanjombato ity.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

22-mai-2025

Haharaisana fitarainana hatrany ny tsy fanarahan-dalana hataon’ireo taksibe eto

Card image cap
22-mai-2025

Nifampitadiavana ny vatana sy lohan’ilay mpandeha an-tongotra

Card image cap