airtel

Fifamoivoizana

05-avril-2024

Rendrarendran’ny mpitondra

Hanomboka ny 06 mey ny andrana ho an’ny teleferika

Sample post image

Herinandro taorian’ny fanendrena ny Sekreteram-panjakana misahana ny tanàna vaovao sy ny toeram-ponenana

05-avril-2024

Atoa Gérard Andriamanohisoa, tonga nitsidika ny fizotry ny tetikasa teleferika ny tenany omaly. Nambara tamin’izany fa voahaja tsara ny fe-potoana fanatanterahana ny tetikasa ho an’ny zotra mampitohy an’Anosy sy Ambatobe. Efa mandeha ny asa fikirakirana ireo tariby ho ampiasaina amin'izany amin'izao fotoana izao. Hanomboka ny 6 mey 2024 izao ny andrana amin'ny fandehanan'ny teleferika ahitana izany mivezivezy etsy Anosy hatrany Soarano, ary ny 26 jona 2024 dia efa hiasa tanteraka ny fitaterana miloko volomboasary Anosy-Ambatobe, hoy ny fanazavana. Resy lahatra tanteraka ingahy sekreteram-panjakana fa hampihena betsaka ny toham-boivoy ity teleferika ity na dia fantany aza, hoy izy, fa maro no tsy mino an'izany. Tetikasa isan’ny nampiady hevitra hatry ny ela moa izy io, izay nitrosana hatrany amin’ny 153 tapitrisa dolara. Tena io ve no laharam-pahamehana eo anatrehan’ny olana manjo ny firenena ankehitriny ? Isan’ny nanjehana mafy ny depiote sady kandida Filoham-pirenena farany teo Atoa Brunelle Razafitsiandraofa, izay tao anatin’ny antokon’ny fitondrana teo aloha nenjehina mafy rehefa nilaza fa ny làlam-pirenena potika manerana ny distrika no mila jerena aloha. Ny kandida Tahina Razafinjoelina nisy fotoana efa naneho, fa raha ny vola atontona amin’io dia mety nahafahana nanangana toby mpihary herinaratra amin’ny alalan’ny angovo azo havaozina hahafahana mamatsy ireo hopitaly sekoly ka mampihena ny vesatra amin’ny jirama,… Ara-tsosialy sy ara-toekarena, tena zakan’ny Malagasy ve ny saran-dàlana manodidina ny 4000Ar isaky ny mitaingina amin’izao fari-piainana sy fahefaha-mividy ambany dia ambany izao? Sa hoboriboriana amin’ny tahaka ireo karazam-pitaterana samihafa efa misy ihany ka arakaraka ny any am-paosy no taingenana? Vao mainka fanaovana tsinontsinona ny Malagasy izany satria trosa amin’ny anaran’ny vahoaka io, ka ny rehetra no miara-manefa azy amin’ny alalan’ny hetra samihafa.
Toky R


 

Dans la même rubrique

16-mai-2024

Fetin’ny Pentekosta hieren-doza, io no tanjon’ny antokon-draharaha misahana ny

Card image cap
15-mai-2024

Mirongatra sy mahazo vahana ny lozam-pifamoivoizana eto amintsika.

Card image cap
15-mai-2024

Tranga roa samihafa no niseho teto amintsika Omaly Talata 14 May mikasika ny tsy fanarahan-dalana

Card image cap