iny no voahitsaky ny kamiao ka maty tsy tra-drano. Omaly Talata 29 Jolay no nitrangan'izany tokony ho tamin'ny 11 ora sy sasany atoandro teo tao amin'ny Fokontany Ankadimanga, Kaominina Marosakoa. Raha ny loharanom-baovao azo dia voalaza fa resin-tory teo amoron'arabe Itompokolahy. Tsy tazan'ilay mpamily anefa ny fisiany teo amin'ny sisin-dalana, antony nahavoahitsaka azy. Efa somary nahazoazo taona rahateo ny anaolahy hoy ny vaovao. Tsy nisy azo natao afa-tsy ny nampandre ny mpitandro ny filaminana intsony moa hoy hatrany ny vaovao azo nanao ny fikarakarana rehetra mialohan'ny nibatana ny razana omaly hariva.
Pati
Légende : Voaloko mena tamin'ny ran'ity lehilahy ity ny arabe !