airtel

Fifamoivoizana

25-sept-2024

RN 23A makany Anosibe an’ala

Tsy tongan'ny fiara intsony

Sample post image

Ho tanterahina eny amin'ny Le relais des plateaux Talatamaty ny alakamisy 26 septambra 2024

25-sept-2024

hoavy izao ny fivorian'ny zanaka am-pielezan'ny distrika an'Anosibe an'ala sy ireo sakaiza miraiki-po amin'ity distrika ity, izay ho tarihin'ny solombavambahoaka voafidy any an-toerana sy ny filohan'ny Fikambanan'ny zanak’Alaotra Mangoro Toamasina sy ny «direction de l'administration générale régional» fitantanana ankapobeny ny faritra ary atrehin'ny governoran'ny faritra Alaotra Mangoro, hoy ny fampitam-baovao voaray. Antony dia handinihana ny fampandrosoana any an-tanindrazana, indrindra ny resaka lalana, izay efa potika tanteraka amin'izao fotoana izao, hoy ny fanazavana. Isan'izany, ohatra, ny lalam-pirenena faha 23A na RN 23A mampitohy an'i Moramanga sy Anosibe an'ala izay mirefy 71 km eo ho eo. Ity lalana ity dia efa tsy tongan'ny fiara intsony na dia fiara tsy mataho-dalana aza fa kamiao mitondra entana no tonga any an-toerana. Vokatr’izany dia midangana ny vidim-piainana, indrindra fa ny vidin’entana ilaina an-davan’andro na PPN. Moto no manao ny asa fitaterana ka 1 hetsy Ariary no saran-dalana amin'izany. Manoloana izany dia antsoina isika zanaka am-pielezana rehetra mba ho tonga hanatrika ity fotoana ity, hoy hatrany ny fanentanana sy antson’ny zanak’Anosibe an’ala.
J. Mirija

 

Dans la même rubrique

26-mai-2025

Eo am-pikarakarana ny fangatahana famerenam-bola azon’izy ireo hatramin’ny 1 Aprily 2022

Card image cap
26-mai-2025

10km miala na hiditra an'Ambatolampy ilay lalana amboarina, hoy ny tatitr’ireo

Card image cap
26-mai-2025

Tovolahy iray 16 taona no notetezin'ny kamiao afak'omaly Sabotsy 24 May tany Betroka.

Card image cap
26-mai-2025

Mirongatra ny lozam-pifamoivoizana eto amintsika.

Card image cap