airtel

Fifamoivoizana

04-janv-2024

Fifamoivoizana

RN 7 Nirosoana ny vahaolana vonjimaika

Sample post image

Taorian’ny fihotsahana nateraky ny rivo-doza, nisy ny fanamboarana vonjimaika tany amin’ny RN7.

04-janv-2024

Efa misokatra ho an'ny fiara madinika sy ny fiara fitateram-bahoaka ary ny fiara vaventy ny fivezivezena eo amin’ny PK 416+300, mandalo ny Fokontany Mahazengy, Fianarantsoa, nanomboka omaly 03 janoary tamin’ny 2 ora tolakandro. Lalana nototofana no ampiasaina. Efa an-dalana kosa ny fiarabe mitondra ny “pont modulaire” hapetaka amin’ity toerana ity. Heverina ho vita hatramin’ny sabotsy izao ny asa fametrahana izany, hoy ny fanazavana. Nidina tany an-toerana manaraka akaiky ny fivoaran'ny asa ny minisitry ny Asa vaventy, ny Kolonely Andrianatrehina Ndriamihaja Livah. Manentana ny mpampiasa lalana hanana faharetana mandritra ny asa fanarenana ny Minisiteran'ny Asa Vaventy.
Nangonin’i Toky R

 

Dans la même rubrique

22-mai-2025

Haharaisana fitarainana hatrany ny tsy fanarahan-dalana hataon’ireo taksibe eto

Card image cap
22-mai-2025

Nifampitadiavana ny vatana sy lohan’ilay mpandeha an-tongotra

Card image cap