airtel

Fifamoivoizana

22-juil-2025

RN1, Lozam-pifamoivoizana

Lehilahy iray namoy ny ainy, nitsoaka ny mpamily

Sample post image

Nitrangana lozam-pifamoivoizana mahatsiravina indray tamin'ny lalam-pirenena

22-juil-2025

voalohany afak’omaly Alahady 20 Jolay tokony ho tamin'ny 6 ora 25 minitra hariva. Fiara iray avy any andrefana, nirimorimo no nifaoka mpitondra bisikileta tao Ambohipeno, kaominina Arivonimamo II, raha araka ny loharanom-baovao azo. Avy nividy fahana io Raim-pianakaviana namoy ny ainy io ary handeha hamonjy fodiana izay vao 29 taona monja.Maty teo noho eo ity farany. Tapatapaka ny tongony, ny tanany raha niforitra 2 koa ilay bisikileta. Fantatra moa fa nandositra ilay fiara nahavanon-doza. Na izany aza efa misokatra ny fanadihadiana mahakasika ity lozam-pifamoivoizana ity. Alevina rahampitso Alarobia ny razana.
Nangonin’i Pati
Legende : Maka olona hatrany ny lalam-pirenena voalohany !
 

Dans la même rubrique

09-févr-2026

Nataon’ny depiote Todisoa mpanao

Card image cap