airtel

Fifamoivoizana

02-août-2023

Fifamoivoizana

RN2_Taksibe sy kamio ary moto nifandona

Sample post image

Maty tsy tra-drano ilay mpitaingina moto

02-août-2023

Nitrangana lozam-pifamoivoizana mahatsiravina teny Ambohitrombihavana Ambohimangakely amin’iny RN2 iny ny andron’ny omaly talata 01 aogositra 2023. Moto iray sy Taxibe Ligne E ary kamiao no nifandona. Maty tsy tran-drano nandritra izany ilay mpitondra moto, izay mbola tanora dia tanora tokoa. Naratra sy notsaboina any amin'ny hopitaly ny mpamilin'ny taxi-be satria potika tanteraka ny lohan’io fiara fitateram-bahoaka io. Tsy dia naratra be kosa ilay mpamilin'ilay kamio, fa somary fanimpanina fotsiny. Mitontaly enina ireo naratra ary nalefa notsaboina any amin'ny hopitaly. Vokatry ny fandehanana mafy sy tsy fitandremana no no heverina fa isan’ny nahatonga ny loza. Entanina hatrany ny rehetra hitandrina satria tena mirongatra izay tsy izy ny lozam-pifamoivoizana indrindra amin’izao vanim-potoanan’ny fialan-tsasatra na an-tanàn-dehibe io na eny amin’ny làlam-pirenena samihafa.
Nangonin’I Toky R

 

Dans la même rubrique

22-mai-2025

Haharaisana fitarainana hatrany ny tsy fanarahan-dalana hataon’ireo taksibe eto

Card image cap
22-mai-2025

Nifampitadiavana ny vatana sy lohan’ilay mpandeha an-tongotra

Card image cap
21-mai-2025

Olona 2 no fantatra fa namoy ny ainy tao anatin’ny herinandro teto amintsika

Card image cap