airtel

Fifamoivoizana

18-sept-2024

RN4, SPRINTER ROA NIFANDONA

Olona iray no namoy ny ainy

Sample post image

Nitrangana lozam-pifamoivoizana nahatsiravina tany amin’ny Fokontany Mahatsinjo,

18-sept-2024

distrikan’i Maevatanana afak’omaly Alatsinainy 16 Septambra alina. Fiara Sprinter samy avy amin’ny zotra rezionaly feno mpandeha no fantatra fa nifandona ka namoizana ain’olona iray. Ankoatra ity farany dia olona misa 10 ihany koa no fantatra fa naratra mafy. Raha araka ny loharanom-baovao azo dia samy nandeha mafy ireo fiara Sprinter misa roa ireo. Ny andro anefa alina ka samy tsy nisy nahatana araka ny tokony ho izy ny familiana ireo mpamily roa tonta. Efa nandray an-tanana avy hatrany ireo naratra moa ny tobim-pitsaboana ao Maevatanana hoy ny vaovao raha efa nalain’ny fianakaviany kosa ny razana. Mbola maro tamin’ireo mpandeha tao anatin’ireo fiara Sprinter ireo no avy niala sasatra tany Mahajanga raha nisy ihany koa ireo mpanao varo-mandeha, hoy hatrany ny vaovao.
Pati
Legende : Hitrangana lozam-pifamoivoizana matetika any amin’ny lalam-pirenena faha-4 !

 

Dans la même rubrique

26-mai-2025

Eo am-pikarakarana ny fangatahana famerenam-bola azon’izy ireo hatramin’ny 1 Aprily 2022

Card image cap
26-mai-2025

10km miala na hiditra an'Ambatolampy ilay lalana amboarina, hoy ny tatitr’ireo

Card image cap
26-mai-2025

Tovolahy iray 16 taona no notetezin'ny kamiao afak'omaly Sabotsy 24 May tany Betroka.

Card image cap
26-mai-2025

Mirongatra ny lozam-pifamoivoizana eto amintsika.

Card image cap