airtel

Fifamoivoizana

21-juil-2022

Fifamoivoizana

RN44 tapany faharoa Ho vita tanteraka ny jona 2023 ny asa

Sample post image

Nidina ifotony nijery ny fizotry ny asa fanamboarana ny lalam-pirenena faha-44 ny Minisitry ny Asa Vaventy HATREFINDRAZANA Jerry sy ireo tompon'andraikitra eto anivon'ny Minisitera,

21-juil-2022

notronon'i Ramatoa Marie Chantal UWANYILIGIRA solontenan'ny Banky iraisam-pirenena eto Madagasikara sy ny mpiara-miasa aminy Ziad NAKAT, ary ireo tompon'andraikitra any an-toerana ny talata 19 jolay 2022 teo. Ny tanjon'izao fitsidihana izao dia ny fijerevan'ireo tompon'andraikitra sy ireo solontenan'ny Banky iraisam-pirenena ny fahavitana sy fandrosoan'ny asa fanamboarana ny lalana faha-44 izay vatsian'izy ireo vola. Mizara roa moa ny asa fanamboarana ny lalam-pirenena faha-44, ka ny « lot 1 » mampitohy an'i Marovoay sy Amboasary mirefy 40km miainga eo amin'ny PK 20+000 hatrany amin'ny Pk 60+000 no efa vita tanteraka ary hita fa nanaja ny kalitao sy ny fenitry ny asa nataon'ny orinasa CGC, hoy ny fampitam-baovao. Ny « lot 2 » izay mampitohy an'Amboasary sy Vohidiala izay mirefy 73 km eo amin'ny PK 60+000 - PK 133+000, kosa dia mahatratra 47% ny fandroson'ny asa ankehitriny, manao ny ezaka rehetra ny orinasa CRBC hamitana izany alohan'ny volana jiona 2023, araka ny tatitra avy amin’ny Minisitera. Eo amin'ny lafiny fandrosoan'ny asa, nisy ireo toromarika nomena ny orinasa CRBC amin'ny fanatanterahana ny asa hialana amin'ny fahatarana. Tsikaritra hatramin'ny fahavitan'ny ampahan-dalana izay fa maro ireo lozam-pifamoivoizana niseho izay namoizana ain'olona, ka noho izany dia misy ny fanentanana sy paik'ady hapetraka hisorohana ireo loza ary ny fanajana sy fiarovona ireo fotodrafitrasa vita. Nanentana ny rehetra hiaro sy hikajy hatrany ireny fananana iombonana eny amin'ny lalam-pirenena ireny sy hitandrina lalandava hisoroana ny loza mety hitranga. Somary mitarazoka ihany ny fanatanterahana ny asa na nisy ny fampanantenan’ny Filoham-pirenena ny oktobra 2019, fa 18 volana no hanaovana ny asa. Sa mba kajiana ho any akaikin’ny fifidianana mihitsy ny fahavitany sy ny fitokanany ? Na izany na tsy izany, irariana ny hahavitan’ny RN44 an-tsakany sy an-davany satria isan’ny faritra mamokatra amin’ny lafiny maro i Alaotra Mangoro.
Toky R

 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Efa mampiasa ny angovo azo havaozina ny seranam-piaramanidina ao Nosy-Be,

Card image cap
24-avril-2024

Manohy sy manamafy ny fanoherana ny fampadalovana izany «ligne téléphérique »

Card image cap