tia tanindrazana

Parution du Vendredi, 2 Juin 2023

airtel

Fifamoivoizana

RN6 Antsohihy-Port Bergé Tapaka tanteraka nanomboka omaly

Tapaka tanteraka nanomboka omaly Na efa andro maromaro aza izay no nivoaka an-dranomasina ilay rivodoza Cheneso,

27-janv-2023

Sample post image

dia mitohy kosa ny oram-pahavaratra naterany, saika amin’ny faritra maro manerana ny Nosy. Miteraka fahasimbana sy fahapotehana amin’ny endriny maro satria satria efa maherin’ny 50 000 ny isan’ny olona traboina manerana ny Nosy, betsaka ny fotodrafitrasa simba, toy ny làlam-pirenena maro. Tapaka tanteraka nanomboka omaly ny RN6. Tapaka mantsy ny làlana eo Ambalavola Ambalafaminty eo amin’ny PK 217+100, anelanelan’Antsohihy sy Port Bergé. Nihotsaka ny tetezana izay mirefy 9metatra, fiara tsy vaky fitaratra na “fourgon” no nivarina tao anaty rano. Tsy nisy kosa ny aina nafoy tamin’ny filatsahan’ity fiara ity, raha ny fampitam-baovao. Tetezana vao napetraka iray volana teo moa ity nihotsaka ity. Vokatry ny fangalarana ny bizo tao ambaniny no voalaza fa isan’ny nahatonga ny fihotsahana. Ankoatra ilay tetezana 9m, dia nokahon’ny rano ihany koa teo ny toerana nipetrahany, ka hatrany amin’ny 30 metatra ny fahatapahana. Tsy maintsy “transbodement” izany hoe: fifamindrana entana sy mpandeha no atao. Ampahany amin’ny làlana simba sy tapaka io, fa tena saika manerana ny Nosy no tratry ny fahavoazana miseho amin’ny endriny maro. Henjana ny manarina ny fahavoazana satria ny teo tsy voakarakara sy tsy vita, ny fahapotehana hafa misosoka ihany.

Toky R

 

Dans la même rubrique

Card image cap
Zotran-dalamby Niverina ofisialy TCE Moramanga-Toamasin
02-juin-2023

aiverina tamin’ny fomba ofisialy nanomboka omaly 01 jona 2023 ny zotran-dalamby TCE Moramanga-Toamasina, izay nosokafan’ny Minisitry ny Fitaterana sy Famantarana ny Toetr’andro,

Card image cap
Madagascar Airlines 34 tapitrisa Euros no trosa hatreto
01-juin-2023

Hatramin'izay nisian’ny kaompania Madagascar Airlines, izay kaompaniam-pitaterana anabakabaka vaovao nanolo ny Air Madagasikara dia 2,5 tapitrisa Euro isam-bolana ny trosany,

Voir plus