airtel

Fifamoivoizana

07-déc-2021

Fifamoivoizana

Rocade d’Iarivo Nahazo foto-drafitrasa maro ny mponina

Sample post image

Mbola nisy ambiny ny vola nanamboarana ny lalana Rocade d’Iarivo novatsian’ny vondrona Eoropeana vola.

07-déc-2021

 Tsy nolanilaniana fahatany anefa izany fa nampiasaina ho tombontsoan’ny mponina eny amin’ny manodidika ka anisan’ireny ny fananganana paompin-drano fisotro madio miisa 9, ny toeram-panasan-damba miisa 5 ary ny toeram-pivoahana ho an’ny daholobe miisa 2. Tanjona ny hanalana fahasahiranana ny mponina toy ireo vehivavy mpanasa lamba izay voatery manenjika ny ranon’Ikopa….Hifanome tanana hanentana ny mponina sy hanara-maso ireo fananana iombonana ireo ny kaominina Antananarivo renivohitra sy ny kaominina ambanivohitra Ambohimangakely raha araka ny fantatra. Mikasika ny fikojakojana ny lalana kosa mba ho lovain’ny taranaka faramandimby dia fantatra fa hitarina mandritra ny 2 taona ny fikojakojana izany. Raha tsiahivina mantsy dia betsaka amin’ireo vy eny an-toerana no efa nisy nanendaka sy nanala tamin’ny toerany ka tsy maintsy averina amin’ny laoniny sy karakaraina mba ho endriky ny tanàna.
Pati
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Efa mampiasa ny angovo azo havaozina ny seranam-piaramanidina ao Nosy-Be,

Card image cap
24-avril-2024

Manohy sy manamafy ny fanoherana ny fampadalovana izany «ligne téléphérique »

Card image cap