sambo, hoy ny orinasa SPM (State Procurement of Madagascar) ny sabotsy lasa teo. Nambara fa somary lava ihany izany fiantsonana izany satria miteraka vola fanampiny aloha amin’ny tompon-tsambo izay mety mahatratra hatramin’ny 200 tapitrisa ariary isan’andro. Ny tranga toy izao koa no isan’ireo antony mampiakatra ny vidin’ireo entana nafarana rehetra, hoy ny fanazavana. Mitondra Vary Tsinjo 10 000 taonina moa izy io, ary ny faran’ny herinandro teo ihany dia efa raikitra ny fampidinana. Miakatra izany ny masonkarenan’ny vary tsinjo, izay isan’ny reharehan’ny Fanjakana, raha toa ka toa ambanin-javatra kosa ny tantsaha Malagasy. Tsy aleo ny varin’ny tantsaha Malagasy no vidiana raha ohatr’izany ihany ? Inona tokoa moa ny olan’ny fanjakana tsy hividy ny vokatry ny tantsaha ka raha ambony ny mason-karenan’izany dia mba hanaovana fanetsenam-bidy na “compensation” ohatran’io atao amin’ny solika io fa tsy hamelona ny tantsaha any Inde, Pakistan,… no atao eto.
Toky R
Nitrangana lozam-pifamoivoizana nahatsiravina indray omaly Alahady tany amin’ny lalam-pirenena faharoa,
Nankatoavin'ny Filan-kevitry ny Minisitra ny omaly 27 septambra ny hirosoana amin'ny fanaovan-tsonia ny