airtel

Fifamoivoizana

17-déc-2021

Fifamoivoizana

Seranam-piaramanidina Ivato Hanova zavatra maro ny fanaovazana goavana

Sample post image

Nisokatra tamin’ny ofisialy omaly 16 desambra 2021 ny “terminal” vaovao eny seranam-piaramanidina Ivato, izay hotantanan’ny Ravinala Airports.

17-déc-2021

 Mpandeha 280 avy any Paris nentin’ny sidin’ny Air Madagascar niandraketan’ny Ethiopian Airlines no nisantarana izany, ary teo ihany koa ny mpandeha nentin’ny Air Seychelles. Ny minisitry ny fizahantany izay niandraikitra ny Minisiteran’ny fitaterana teo aloha no solontenam-panjakana teny an-toerana niatrika ny fitokanana sy fanokafana. Tsy nahazaka afatsy mpandeha 200 teo aloha, fa amin’izao na hatrany amin’ny 800 miara-miditra aza zakany. Feno fitaovana avo lenta Scanner izay zava-dehibe amin’ny resaka seranam-piaramanidina na « aéroportiaire, ny resaka filaminana na “sécurite”, ary ny antoka sy fiarovana na “sureté”,… dia hiova tanteraka, hoy izy. Ny taona 2015 moa no nanaovana sonia ny tetikasa. “Vao tonga teo ny Filoha Rajoelina no nodinihina ny fifanarahana, ka tamin’ny voalohany 28 taona teo, ary ny Fanjakana nieritreritra fa ao anatin’ny 20 taona no miverina ny volany, ary mahazo 20% izy. Nahena ho 18euros raha 21euros teo aloha ny vola alohan’ny mpandeha. Afa-po tamin’ny fanavaozana ny Tale Jeneralin’ny Ravinala Airports, ka naneho fa hafahana miatrika ny ho avy, ary hisy akony amin’ny fizahan-tany, toekerena,…
Toky R

 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Efa mampiasa ny angovo azo havaozina ny seranam-piaramanidina ao Nosy-Be,

Card image cap
24-avril-2024

Manohy sy manamafy ny fanoherana ny fampadalovana izany «ligne téléphérique »

Card image cap