airtel

Fifamoivoizana

24-févr-2023

Fifamoivoizana

Seranam-piaramanidin’Ivato sy Nosy be

Sample post image

Nahazo fankasitrahana noho ny fifehezana ny « carbone »

24-févr-2023

Miezaka hatrany ny Ravinala Airports izay mpitantana ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena eny Ivato sy ny Nosy Be mba hampanara-penitra ireo foto-drafitrasa roa lehibe ireo. Nisy araka izany ny fiaraha-miasany tamin’ny ACI Europe nahazoany ilay accréditation amin’ny fifehezana ny entona karbona amin’ny am-pahany voalohany na ny ACA (Accréditation Carbone des Aéroports) . Raha tsiahivina dia karazana mari-pankasitrahana iray omena ny seranam-piaramanidina ny ACA hanehoana sy hampahafantarana ny rehetra fa efa voafehiny tsara ny fitantanana ny carbone ho fiarovana ny tontolo iainana. Ny sampandraharaha misahana ny RSE (responsabilité sociétale des entreprises) no nomena io « accréditation » io, tamin’ny alalan’Atoa Marius Razafimahatratra tompon’andraikitra misahana ny tontolo iainana sy ny fitantanana ny loza eo anivon’ity orinasa iray lehibe ity. Hafaliana lehibe ho an’ny Ravinala Airports ny fahazoan’ireto seranam-piaramanidina roa lehibe ireto izany. Mbola ny seranam-pianaramanidina eny Ivato sy ny Nosy Be ihany mantsy no voalohany nahazo izany eto Madagasikara. Tafiditra ao anatin’ny tanjon’ny Ravinala Airports ny hahatonga azy ho orinasa manana ny maha-izy azy sy fakan-tahaka aty amin’ny ranomasimbe Indiana izany amin’ny taona 2025. Tsiahivina moa fa anisan’ny asa sahanin’ny Ravinala Aiports ny hanitatra hatrany ny fahaiza-manaony sy hanampy traikefa momba ny fitantanana ny seranam-piaramanidina eto amintsika ka anisan’ireny ireo zotram-pitaterana an’habakabaka, ny mpandeha, ny resaka varotra, ny fret…
Pati
 

Dans la même rubrique