airtel

Fifamoivoizana

24-janv-2024

Sesilany ny loza mahatsiravina

Fositra ny setrasetra, tsy fitandremana, lonilony,…

Sample post image

Hiatrika fampanoavana anio ilay rangahy 44 taona, mpamily an’ilay zotra 154

24-janv-2024

nahafaty olona teny Mahamasina ny sabotsy 20 jolay teo. Lozam-pifamoivoizana nahafatesan'olona, fandosirana sy vono olona no vesatra hanenjehana azy. Mikasika iny tranga iny, niainga teny Ankadimbahoaka, teo ampitan'ny Galana, ny tantara. Samy nisotrosotro, nifanao aloha sy aoriana ilay 154 sy ireo moto 4. Voalaza fa, ilay taksibe no taorian'ireo moto. Rehefa hiala, voakasik'ilay taksibe (tsy fanahy iniany) ny iray tamin'ireo kodiaran-droa, hoy ny vaovao notaterin’ny Skypass Atm. Rehefa izay, narahan'ireo moto ilay taksibe ary azony teo amin'ny lalam-by ery aloha avaratra ery. Nivadika ho fifandirana sy feo avo ny fifanazavana. Nanohy ny lalany nankany Tsimbazaza ilay 154. Ireo moto kosa manenjika sady mitoraka azy amin'ny tavoahangy. Tratra teo Mahamasina, ary iny niafara tamin’ny fahafatesana iny, niharan’ny fitsaram-bahoaka mandra-pahatongan’ny polisy ilay mpamily. Notanana natao andrimaso sy famotorana. Voalaza fa tsy nihoatra ny fetra ny tahan'alikaola tamin'ny vatany, rehefa natao ny fizahana, hoy ny fanazavana.
IREO TSY AZO ATAO SY NY TOKONY HATAO
«…Eto dia miala tsiny amin'ny havan'ny niharam-boina amin'ny sary fanehoana sy ny fakana ny tantara mba ho entinay mampianatra. Tsy fanao ary tsy azo atao : Ny mpamily iray manao "délit de fuite" (moto na fiara) dia eritreretina foana hoe "criminel". Tsy voafehin'ny feon'ny fieritreretany intsony izy fa ny ao an-tsainy dia ny hahatafavoaka azy ao anatin'ny loza manambana azy : gadra, valifaty, vono, fanimbana ny fiarany, sns... Manao vy very ny ainy izy amin'iny fotoana iny. Koa fadiana tena tsy azo atao ny misakana azy eo aloha (toy ny nataon'ilay mpitondra moto namoy ny ainy.). Raha fiara no sakanana dia enjehina avy ao aoriana ary atao izay hahatafiditra azy amin'ny kizo tery tsy ahafahany mihetsika. Raha hibahana azy kosa dia fitaovana lehibe noho ny fiara entiny no hanakanana azy: Camion, dabam-pako lehibe, na herse pliante. Fadiana mihitsy koa ny manandrify azy sao sanatria mamoaka fitaovam-piadiana izy: tsy maintsy anatonana moramora avy ao aoriana ary asaina mivoaka mora sady manangana tanana. Tsara ilay firaisankina samy kodiaran-droa saingy aleo atao ho lesona ny nahazo ny namantsika », hoy ny CIRGN Analamanga.
TSY MIFANAJA, MIFAMPIHETRAKETRAKA,… MILA ALAMINA
Porofo ireny fa tsy milamina ny fiarahamonina eo amin’ny sehatry ny fifamoivoizana. Misy ny loza izay tsy nahy ny ankamaroany, fa eo ihany koa no toa ateraky ny tsy fitandremana, setrasetra, lonilony. Ny fiarakaretsaka (taxi-moto) mifanenjika eto Antananarivo, ny kodiaran-droa sy ny kodiaran’efatra mifampisetrasetra, ny samy kodiaran-droa mifanenjika na mifaninana na mandeha mafy loatra tahaka ilay teny Tsarasaotra Ivato omaly, ny samy fiara fitateram-bahoaka mifanenjika satria samy te hahazo olona; ny kalitao na anatin’ny fiara na ny lafiny teknika na eo amin’ny tolotra omen’ny fitateram-bahoaka betsaka ny fanarenana mila atao. Ny eny amin’ny làlam-pirenena ihany koa tahaka izany toy ny fiara lehibe toy ny « sémi-remorque » izay misy ny fanamarihana indraindray fa rehefa tafavoaka ny lohany dia izay, ka sahirana sy tandindonin-doza ny hafa. Ny ankamaroan’ireo fifandonan’ny fiara dia taksibrosy sy fiara lehibe toy ny « sémi-remorque » na kamio, toy ilay nitranga tany amin’ny RN2 omaly. Ny taksibrosy ihany koa moa mety maika hanenjika «tour » amin’ny dona miverina,… Ny làlana etsy andaniny tsy tomombona, ireo tondro maro samihafa betsaka no simba, ny andro fahavaratra,… Mila fanarenana amin’ny lafiny maro : lalàna, toe-tsaina, fitondran-tena, ara-pitaovana, fotodrafitrasa,…
Toky R
 

Dans la même rubrique

16-mai-2024

Fetin’ny Pentekosta hieren-doza, io no tanjon’ny antokon-draharaha misahana ny

Card image cap
15-mai-2024

Mirongatra sy mahazo vahana ny lozam-pifamoivoizana eto amintsika.

Card image cap
15-mai-2024

Tranga roa samihafa no niseho teto amintsika Omaly Talata 14 May mikasika ny tsy fanarahan-dalana

Card image cap