airtel

Fifamoivoizana

05-oct-2026

Sidina

hataon'ny Madagascar Airlines

Sample post image

Hiverina hampitohy

05-oct-2026

an'i Sainte-Marie sy La Réunion
Manitatra tsikelikely ireo sidina mankany amin'ireo Nosy rahavavy ny kaompania Madagascar Airlines. Taorian'ny fisokafan'ny sidina mampifandray an'Antananarivo amin'i Comore nanomboka ny 30 jolay 2026 dia hiverina amin'ny volana Desambra 2026 ho avy izao koa ny sidina mampitohy an'i Nosy Sainte-Marie sy ny Nosy La Réunion. Nisy ny sidina fanentanana voalohany ny marainan'ny sabotsy 3 Oktobra 2026, niainga avy ao Sainte-Marie, nitondra delegasiona malagasy ahitana solontena avy amin'ny sehatry ny fizahantany, ary nigadona tao amin'ny seranam-piaramanidina Roland Garros ao Saint Denis - La Réunion. Nitsidika ny tananan'i Saint-Paul ny delegasiona malagasy misahana ny fizahantany taorian'izany.
MANATSARA NY FIFANDRAISANA
Taorian'ny fiatoana naharitra telo taona, dia hanomboka indray ny sidina ara-barotra ataon'ny orinasa Madagascar Airlines manomboka amin'ny 16 Desambra 2026 ka hatramin'ny faran'ny volana Martsa 2027. Sidina roa isan-kerinandro, kasaina hatao ny Alarobia sy ny Zoma no hatao, ka mpandeha manodidina ny 70 no ho entin'ny fiaramanidina ATR 72 isaky ny sidina. Izany dia hanome toerana ny 14 560 isan-taona. Tombanana ho eo amin'ny 470 euros eo ho eo ny vidin'ny tapakila amin'ny fanombohana azy. Manokatra fahafahana vaovao ho an'ny fizahantany sy ny fifanakalozana ara-toekarena eo amin'i Madagasikara sy La Réunion ity tolotra vaovao ity, sady manatsara ny fifandraisana ao amin'ny faritry ny Ranomasimbe Indiana. Ho an'ny zotra anatiny dia fantatra ihany koa fa hisy sidina andrana hampitohy an'Antananarivo - Antsohihy - Antananarivo hatao ny 11, 12 sy 13 oktobra 2026 ho avy izao mifanandrify indrindra amin'ny fankalazana ny 14 oktobra, Fetin'ny Repoblika izay hatomboka any amin'ny Faritra Sofia. Raha tsy misy ny fiovana dia hanomboka amin'ny 21 oktobra 2026 ny sidina Antananarivo - Antsohihy - Mahajanga - Nosy Be.
Jean D.
ATR 72 an'ny Madagascar Airlines nigadona tao Roland Garros - La Réunion
 

Dans la même rubrique

02-oct-2026

Nikasa hitsoaka ilay nandona

Card image cap