tia tanindrazana

Parution du Vendredi, 2 Juin 2023

airtel

Fifamoivoizana

Sidina mivantana Nosy Be sy Dubaï Tsara ho an’ny fizahantany, fa hanamora ny trafikam-bolamena ? teo.

Ho avy eto afaka herinandro ny tompon’andraikitry nyy kaompania Emirates mba hijery ny fomba hoenti-manatanteraka io fampifandraisana mivantana an’I Dubaï sy Nosy be io.

07-nov-2022

Sample post image

Ho lasa 5 hatramin’ny 6 ora ny fotoana lany amin’izany, raha voatery mandalo firenen-kafa sy mifindra sidina mihitsy teo aloha. Nambaran’ny Filoha ankehitriny moa, fa tanjona amin’io ny hametraka an’I Nosy Be ho fitaratry nyy fizahantany eto Madagasikara. Hatramin’ny fisokafan’ny sisin-tany, sidina maro no miazo an’I Nosy be, mahatratra 13 isan-kerinandro, ary mitondra mpizahatany 1500 isan-kerinandro eo, raha ny nambaran’ny Filoha hatrany. Zava-dehibe, tafiditra ao anatin’ny fampiroboroboana ny fizahantany izany, fa misy ihany koa ny tsilian-tsofina any ambadika any fa ketrehina ho ivon’ny fanaovana afera, tahaka ny any Dubaï. Any an-toerana izay matetika hisehoana afera hafahafa, toy ny fahatafatsoahan’ireo olona nohenjehin’ny Fanjakana, izay voalaza fa tao ny làlana nivoahany tahaka ny Tale jeneralina orinasam-panjakana iray teo aloha, Praiminisitra teo aloha,… Ny trafikana volamena, dia betsaka ihany koa no miainga avy ao Nosy Be toy ilay tamin’ny 05 desambra 2020 nahatrarana karana miisa 6 lahy; ny depiote irayy voalaza fa azo sary niarakja tamin’nyyy bolongam-bolamena tao amin’ny “salón VIP” tany amin’ny seranam-piaramanidin’i Nosy Be; ny volana jolay teo nisiana fahasamborana vehivavy 4 ka vadina loholona sy vadina ny depiote ny roa,… Eo ny ketrika ara-pizahantany izay tena ilaina, fa ahiana ho miaro fanamorana ny bizina sy afera maloto ihany koa satria betsaka ny mpiketrika trafika makany Dubaï, izay matetika handrenesana anarana olona ambony, raha tarafina amin’ireo efa tratra hatrizay.
Toky R
 

Dans la même rubrique

Card image cap
Zotran-dalamby Niverina ofisialy TCE Moramanga-Toamasin
02-juin-2023

aiverina tamin’ny fomba ofisialy nanomboka omaly 01 jona 2023 ny zotran-dalamby TCE Moramanga-Toamasina, izay nosokafan’ny Minisitry ny Fitaterana sy Famantarana ny Toetr’andro,

Card image cap
Madagascar Airlines 34 tapitrisa Euros no trosa hatreto
01-juin-2023

Hatramin'izay nisian’ny kaompania Madagascar Airlines, izay kaompaniam-pitaterana anabakabaka vaovao nanolo ny Air Madagasikara dia 2,5 tapitrisa Euro isam-bolana ny trosany,

Voir plus