airtel

Fifamoivoizana

16-janv-2023

Fifamoivoizana

Simba avokoa ny lalam-pirenena Nanomboka ny fitokonan’ ireo kamionera

Sample post image

Tsy vitan’ireo kamionera intsony ny haratsian’ny lalam-pirenena eto amintsika. Efa nisy hatrany mantsy ny antso avo nataon’izy ireo tamin’ny Fitondram-panjakana saingy toy ny antso an’efitra hatrany izany.

16-janv-2023

Mahatsiaro ho leo tanteraka araka izany izy ireo ka naneho ny firaisankinany ary nitokona tany amin’ny lalam-pirenena faharoa mampitohy an’Antananarivo sy Toamasina omaly alahady 15 janoary. Takian’izy ireo araka izany ny hanamboarana ireo lalam-pirenena toy ny RN2, RN4, RN6, RN13, RN7 ary ny RN 34. Miantso ny firaisankin'ny mpampiasa lalana rehetra izahay kamionera, hoy Rakotoarisoa Joelson Gabriel, filohan'ny sendikan'ny mpamily matihanina eto Madagasikara (SCPM) raha nampita vaovao tamin’ny mpanao gazety omaly. Tsiahivina moa fa saika hanomboka amin’ity herinandro ity avokoa ny asa fanamboarana ireo lalam-pirenena rehetra eto amintsika. Ny lalam-pirenena faharoa no tsy maintsy haverina ny tolo-bidy mifandraika amin’izany ary heverina fa any amin’ny tapaky ny volana febroary ihany no mety hanombohan’ny asa.
Nangonin’i Pati
Legende : Tena mijaly amin’ny haratsian’ny lalam-pirenena ireo fiara mpitatitra lehibe
 

Dans la même rubrique