airtel

Fifamoivoizana

03-févr-2023

Fifamoivoizana

Sisin-dalan’ny lalam-pirenena Nandraisana fepetra ireo mbola manaha vary

Sample post image

Ho fampiharana ny hitsivolana faha 60-166 tamin’ny 3 oktobra 1960 mahakasika ny fanajana ny fetran’ny sisin-dalana amin’ny lalam-pirenena izay entina hiarovana ireo fotodrafitrasa ary hisorohana ny lozam-pifamoivoizana dia

03-févr-2023

 nanatanteraka fidinana ifotony teny amin’ny lalam-baovao mampitohy ny Art Malagasy sy Andranotapahana ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny ministeran’ny asa vaventy niaraka tamin’ireo solontena avy amin'ireo kaominina voakasik'izany, hoy ny fampitam-baovao voaray omaly. Nanentana sy nampahafantatra ireo olona monina manodidina ny lalana izy ireo fa tsy azo atao ny manasa fiara eny amin'ireo fetran’ny sisin-dalan'ny lalam-pirenena. Tsy azo atao koa ny manaha vary eny ambony sy amin’ny sisin'ireo lalam-pirenena. Fijanonan'ireo fiara vaventy tsy ara-dalàna amin’ny sisin-dalana. Nisy avy hatrany ny fepetra noraisina ho an'ireo izay tsy nanara-dalàna ka nasaina nanala ireo vary niely teny ambonin'ny lalana sy ireo fiara izay nosasana sy nijanona teny amin’ny sisin-dalana. Napetraka teo anivon’ireo kaominina ny taratasy fampiharana io hitsivolana faha 60-166 tamin’ny 3 oktobra 1960 io ho entin-drizareo manohy ny fanentanana sy fampahafantarana ireo vahoaka, hoy hatrany ny fampitam-baovao voaray.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

22-mai-2025

Haharaisana fitarainana hatrany ny tsy fanarahan-dalana hataon’ireo taksibe eto

Card image cap
22-mai-2025

Nifampitadiavana ny vatana sy lohan’ilay mpandeha an-tongotra

Card image cap
21-mai-2025

Olona 2 no fantatra fa namoy ny ainy tao anatin’ny herinandro teto amintsika

Card image cap