Famatsiam-bola tamin'ny Banky Iraisam-pirenena tamin’ny alalan’ny Projet CASEF (projet de Croissance Agricole et de Sécurisation Foncière) no nanamboarana azy io, mba hanatsarana ny tontolo ambanivohitra sy ahafahana mamoaka ny vokatra eny ambanivohitra. Tetikasan’ny Minisiteran’ny fambolena sy fiompiana ary jono noho izany izy io, faritra 5 no nisitraka an’izany dia Analamanga, Itasy, Vakinankaratra, Atsinanana ary Ananjirofo. Ho an’ny Faritra Itasy, ny làlana Miarinarivo-Ambatomanjaka, Soavinandriana -Mananasy ary Andakana-Ambatoasana-Tamponala no tafiditra tao anatin’ny tetikasa CASEF, saingy iaraha-mahita io ny manjo ity ampahany Soavinandriana-Mananasy ity. Voalaza fa nopasohana fotsiny fa tsy nasiana lakandrano, kanefa tanimbary ny teo amin’ny andaniny roa, izay mitovy haavo amin’ny arabe, antony nahapotika azy vetivety raha vao avy ny orana. Ahoana izany ny fanarenana itony tetikasa nandaniana volabe itony? ? Izao ve no asa manara-penitra ?An’iza ny fahadisoana ary ahoana ny fanarenana sa vitavita ho azy ?
Toky R
aiverina tamin’ny fomba ofisialy nanomboka omaly 01 jona 2023 ny zotran-dalamby TCE Moramanga-Toamasina, izay nosokafan’ny Minisitry ny Fitaterana sy Famantarana ny Toetr’andro,
Hatramin'izay nisian’ny kaompania Madagascar Airlines, izay kaompaniam-pitaterana anabakabaka vaovao nanolo ny Air Madagasikara dia 2,5 tapitrisa Euro isam-bolana ny trosany,