airtel

Fifamoivoizana

05-janv-2024

Sokajina fitaterana “service plus”

Nisafidy tsy ampiakatra saran-dalana na ratsy aza ny lalana

Sample post image

Iaraha-mahita ankehitriny ny haratsian’ny lalana eto Madagasikara, hoy ny

05-janv-2024

tomponandraikitry ny fitaterana amin’ny tobim-piantsonam-piara fitaterana iray etsy Ankadimbahoaka, Eddy Ramaroson. Adin’ny 3 no vita i Antsirabe, hoy izy, taloha fa izao tsy vita raha tsy adin’ny 5 sasany. Adin’ny 4 sasany raha mandeha mafy. Soa fa tsapan’ny mpandeha fa tsy fanahiniana ny fahataran’ilay diany. Sarotiny izahay amin’ny fanaraha-maso ny fahasalaman’ireo fiara fa efa mijery an’izay koa anefa ny mpitandro filaminana. Rehefa betsaka tahaka ny hita amin’ny vanin’andro fety toy izao ny olona dia ohatran’ny hoe faly ny mpitatitra fa na eo aza nefa izany dia tsy mampiakatra saran-dalana izahay ary voafetra ho 16 ihany ny isan’ny olona anaty fiara. Antananarivo-Ambatolampy, 8000 Ariary. Antananarivo-Ambohimandroso, 9000 Ariary ary Antananarivo-Antsirabe, 20.000 Ariary. Izay no sokajiana anatin’ny antsoina hoe fitaterana “service plus”. Hajaina ny kalitao. Tsy mampiakatra saran-dalana na avy orana sy ratsy aza ny lalana ary na inona na inona toe-java-misy, raha mbola azo atao, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija

 

Dans la même rubrique

14-mai-2024

vao ny atoandro no nisy fiara nifandona tamin’ny kodiaran-droa na «moto»

Card image cap
13-mai-2024

Ranolava ny tsikera mikasika ny fisiana tsolotra sy kolikoly eny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato,

Card image cap
13-mai-2024

Zaza miisa 2 no maty ary zaza iray no mbola any amin’ny hopitaly,

Card image cap
13-mai-2024

Fiara nitondra mpianatra , niala avy any Andranomafana , distrikan’Ifanadiana omaly Alahady 12 May

Card image cap
13-mai-2024

Tsy manao asa ratsy eo amin’ny faritra misy azy ny ankamaroan’ireo jiolahy eto an-drenivohitra sy ny manodidina

Card image cap