Talata 04 Jona tao Soanierana Ivongo rehefa nandeha sambo haingam-pandeha avy any Toamasina. Noho ny tsy fisian’ny sambo na fiara hatorian’izy ireo no anton’izany. Nampanantena ireo mpandeha mantsy ny mpikarakara raha ny vaovao azo fa afaka matory ao anaty sambo na fiara izy ireo rehefa tonga tao Soanierana Ivongo. Nitady hevitra nandeha tao amin’ny birao fiasan’izy ireo ireo mpandeha vokatr’izany saingy nilaza ihany koa ireo mpikarakara fa tsy azo hatoriana tao amin’ny birao fa ny entana ihany no azo napetraka tao. Ny tena olana hoy hatrany ity vaovao ity dia marobe tamin’ireo mpandeha no tsy niomana tamin’ny vola nanofana efitrano fandraisam-bahiny nefa ny fandriampahalemana efa tsy milamina.
Pati
Sary fanehoana
Mandany iray andro mahery ireo mpitatitra amin’ny fanomanana ny fiara sy ny pitsopitsony rehetra
Asa fivelomana iray tena mahazo vahana eto amintsika, indrindra taorian’ny nandalovan’ny