airtel

Fifamoivoizana

18-oct-2024

STAREX NIFATRATRA TAMIN’NY KAMIO

Teratany Amerikanina iray maty tsy tra-drano

Sample post image

Tsy mitsahatra ny lozam-pifamoivoizana eny amin’ny lalam-baovao Tsarasaotra miazo an’Ivato.

18-oct-2024

Fiara Starex iray indray afak’omaly Alarobia 16 Oktobra alina no nifatratra tamina kamiao iray, raha ny vaovao azo. Raha araka ny nambaran’ireo nanatri-maso dia notarafin’ny jirobe ny mason’ilay mpamilin’ny fiara Starex ka jambena ary tsy nahita intsony ilay kamiao nijanona teo alohany. Nifatratra teo amin’ny vodin’ilay kamiao avy hatrany ity fiarakely ity ka namoy ny ainy vokatr’izany ny vehivavy iray teratany Amerikana iray, hoy ny vaovao. Potika tanteraka ihany koa ny lohan’ilay fiara Starex. Tsiahivina moa fa olona miisa 10 isan’andro no mamoy ny ainy eto amintsika vokatry ny lozam-pifamoivoizana.
Pati
Legende : Tahaka izao no fitrangan’ny loza !
 

Dans la même rubrique

22-mai-2025

Haharaisana fitarainana hatrany ny tsy fanarahan-dalana hataon’ireo taksibe eto

Card image cap
22-mai-2025

Nifampitadiavana ny vatana sy lohan’ilay mpandeha an-tongotra

Card image cap