airtel

Fifamoivoizana

22-janv-2024

Taksibe 154 namono olona an-kitsirano

Notrongisiny sy notaritaritiny ilay mpitondra moto

Sample post image

Zava-doza sy habibiana tsy roa aman-tany no nataon’ny taksibe iray ao anatin’ny zotra 154 mampitohy

22-janv-2024

an’Amboditsiry sy Forello ny takarivan’ny sabotsy lasa teo. Voalaza fa nanao fahadisoana avy nandona olona tany Tsimbazaza io taksibe io izay mitondra ny laharana 0348 TAP ka nitsoaka. Nifanenjehan’ny moto maromaro, ka teny Mahamasina vao tratran'ilay mpitondra moto ka nifamaly teo ny mpamily sy ny mpitondra moto iray. Nabahan'ilay moto teo anoloan'ny fiara ny moto nentiny, ary efa nijanona ilay fiara ka raikitra ny fifamaliana, ka nodomin'ity mpamily taksibe ilay moto ka nianjera, ary rehefa voadona dia mbola notohizany ihany ny diany, ka fesina tao ilay mpitondra moto, notaritaritiny sahabo 50 metatra teo, hany rotika tanteraka ny vatany nokaofin’ny « goudron »,... . Voalaza fa mbola nahateny ilay mpitondra moto hoe "... Zoky a, ato ambany ato aho..." fa tsy nohenoin'ilay mpamily. Niorakoraka ny olona, nisy koa ny nanenjika. Tonga lavidavitra ihany ilay fiara izay vao nety nijanona ny mpamily. Efa saika hitsoaka indray ilay mpamily, dia nenjehin'ny olona ka tratra. Mbola nanompa ny olona nisambotra azy izy, sady nilaza ho mafy be, ka nodarohan'ny olona sy nanaparany ny hatezerany nialohan’ny fahatongavan’ny polisy izay nitondra azy. Nahitana tavoahangina labiera tao amin'ilay mpamily. Ilay mpitondra moto kosa izay naratra mafy sy tena nampivarahontsana ny fahavoazany nentina novonjena haingana teny amin’ny Hopitaly, saingy tsy tana ny ainy. Randrianavalona Nambintsoa mickael, no anarany mipetraka eny Anosizato Andrefana fa avy any Antsirabe ny fihaviany, manambady ary mananjanaka kely vao 4 volana. Vao feno 4 volana ny zoma lasa teo ny zanany no izao kamboty tsy fidiny noho ny hetraketraky ny hafa izao. Azon’ny « caméra de surveillance » teo amin’ny manodidina moa ny ampahany tamin’ity fisehoan-javatra nampihoron-koditra ity. Efa nisy nanao fitarainana tato amin'ny tambajotra taona vitsivitsy lasa izay fony izy mbola zotra 183 (CAT) satria tia mandeha mafy sy misetrasetra. Rehefa lasa 154 indray dia izao mamono olona izao satria ny saofera mamo sy miseho mafy be, hoy ny fanamarihan’ny olna.
HELOKA MARO SOSONA
Heloka sy vesatra maro no azo hanenjehana ity mpamily ity niainga tany amin’ilay tranga tany Tsimbazaza hatreny Mahamasina: fanaovana lozam-pifamoivoizana, fitsoahana rehefa avy nanao loza, lozam-pifamoivoizana niniana natao, vono olona niniana natao, fisotroana na fahamamoana teo am-pamiliana,… Saropady ny resaka familiana, ary ny loza tsy nahy aza efa tsy fidiny saingy itony dia tena vono olona niniana natao. Izao no manamafy fa tena ilaina ny fanadihadiana sy famotorana lalina momba ny toetra amam-pitondran-tena na « enquête de moralité » ho an’ny mpamily taksibe sy ny fitateram-bahoaka samihafa. Tsy resaka fankahalana fa betsaka no mivaona, tsy manaja lalàna, tsy manaja bokin’andraikitra, tsy manaja mpandeha,…
Toky R
 

Dans la même rubrique

15-mai-2024

Mirongatra sy mahazo vahana ny lozam-pifamoivoizana eto amintsika.

Card image cap
15-mai-2024

Tranga roa samihafa no niseho teto amintsika Omaly Talata 14 May mikasika ny tsy fanarahan-dalana

Card image cap
14-mai-2024

vao ny atoandro no nisy fiara nifandona tamin’ny kodiaran-droa na «moto»

Card image cap