airtel

Fifamoivoizana

29-janv-2024

Taksibe 192 voafaokan’ny kamio

Nikaperotra tanteraka, 13 naratra

Sample post image

Nisehoana lozam-piarakodia lehibe teny Analamahitsy làlana

29-janv-2024

miazo an’i Nanisana ny marainan’ny omaly alahady. Taksibe zotra 192 anankiray no voafaokan'ny kamio kely iray mpitatitra fako. Mafy ny fifandonana ary tena potika nikaperotra tanteraka ilay taksibe, raha ny sary. Nahatratra 13 ireo naratra vokatr’izany, ny 7 tamin'ireo no voalaza fa tsy maintsy natao fizaham-pahasalamana manokana. Niditra an-tsehatra tamin’ny famonjena ireo naratra ny mpamonjy voina. Voalaza fa efa miaraka mandray ny andraikitra tandrify azy ny CUA , Koperativa ary ny tompon'ny fiara.
Nangonin’i Toky R
 

Dans la même rubrique

16-mai-2024

Fetin’ny Pentekosta hieren-doza, io no tanjon’ny antokon-draharaha misahana ny

Card image cap
15-mai-2024

Mirongatra sy mahazo vahana ny lozam-pifamoivoizana eto amintsika.

Card image cap
15-mai-2024

Tranga roa samihafa no niseho teto amintsika Omaly Talata 14 May mikasika ny tsy fanarahan-dalana

Card image cap