airtel

Fifamoivoizana

11-janv-2024

TAKSIBE KOFIMI-KOMAFILA

Mampitaraina ny vahoakan’Itaosy ny fihodinana an-dàlana

Sample post image

Tsy mety vita ny asa fanamboaran-dalana etsy amin’ny Fasan’ny Karana.

11-janv-2024

Miditra amin’ny andiany faharoa indray ny orinasa COLAS nanomboka tamin’ny Alatsinainy teo. Na izany aza anefa dia tsy tena manelingelina ny fifamoivoizana loatra io asa fanamboaran-dalana io. Tsy misy ny lalana tapaka raha izay no hanazavana azy saingy ny mampalahelo dia tena manararaotra ny fisian’izany ireo taksibe avy any Itaosy toy ny KOFIM sy ny KOMAFILA ka miodina an-dalana ny ankamaroany. Eo amin’ilay lalana amboarina miditra mankany amin’ny Fasan’ny Karana mihitsy no mijanona ny ankamaroan’izy ireo ka ho an’ireo mponin’Itaosy dia mbola mandeha dia an-tongotra 15 minitra eo ho eo vao tafavoaka an’Ankadimbahoaka ny mpandeha iray. Mbola mandoa saran-dalana 600 Ar hafa indray avy eo vao tonga any Anosy ho an’ireo miasa eny amin’iny faritra iny, antony tena mampikolay ny mpandeha. Amin’ny ankapobeny anefa dia tokony mbola ho tonga manatitra mpandeha hatreny Anosy mihitsy izy ireo, tobim-piantsonana tena tokony hijanonany no sady voasoratra ao anaty bokin’andraikitra rahateo. Marihina moa fa na ireo mpanera etsy amin’ny Fasan’ny Karana aza dia miray tsikombakomba amin’ireo mpamily sy ny mpanampin’ny mpamily ao amin’ireo koperativa roa ireo ny amin’ny tokony hiodonany eo amin’ity toerana ity mba hikaraman’iretsy voalohany ihany koa.
Pati
Legende : Sahirana amin’ny hataon’ireto taxibe ireto ny vahoakan’Itaosy !

 

Dans la même rubrique

15-mai-2024

Mirongatra sy mahazo vahana ny lozam-pifamoivoizana eto amintsika.

Card image cap
15-mai-2024

Tranga roa samihafa no niseho teto amintsika Omaly Talata 14 May mikasika ny tsy fanarahan-dalana

Card image cap
14-mai-2024

vao ny atoandro no nisy fiara nifandona tamin’ny kodiaran-droa na «moto»

Card image cap