airtel

Fifamoivoizana

21-févr-2024

TAKSIBEN’i FENOARIVO NANDEHA MAFY LOATRA

Naiditra am-balam-pamonjana, nofaizina ny mpamily sy mpanampy

Sample post image

Nampidirina ambalam-pamonjana ny taksibe iray miazo iny Fenoarivo

21-févr-2024

distrikan’Atsimondrano iny omaly rehefa nandeha mafy loatra ka nahazoan’ny 𝗭𝗮𝗻𝗱𝗮𝗿𝗶𝗺𝗮𝗿𝗶𝗮m-pirenena eny an-toerana fitarainana. Tena manao rallye mihitsy mantsy izy ireo am-perin’asa nefa ain’olona no entiny. Ankoatra izay dia mahasahy misangy sy tsy menatra ny mifampisongona amin’ny namany eny an-dalana ireo mpamily mba hanehoany fa azy ireo ny lalana no sady hainy ny familiana. Nandray ny fepetra mifandraika amin’izany ny zandary omaly ka nampitandremana mafy ilay mpamily sy ny mpanampy azy no sady nampilanjaina sora-baventy misy soratra hoe : tsy handeha mafy intsony izahay fa mamono olona. Marihina moa fa ankoatra ny fandehanan’ireo taksibe miazo an’i Fenoarivo mafy tahaka izao rehefa am-perin’asa dia tsy vitsy amin’izy ireo no manary mpandeha eny am-pandehanana sy mampiakatra saran-dalana raha vantany vao harivariva ny andro. Tafakatra 1400 Ar ny saran-dalana miainga eo Anosy miazo an’i Fenoarivo raha vantany vao latsaka ny ranon’orana isan-kariva.
Pati
Legende : Ireto ilay mpamily sy ny mpanampy azy mpilalao ain’olona !
 

Dans la même rubrique

22-mai-2025

Haharaisana fitarainana hatrany ny tsy fanarahan-dalana hataon’ireo taksibe eto

Card image cap
22-mai-2025

Nifampitadiavana ny vatana sy lohan’ilay mpandeha an-tongotra

Card image cap
21-mai-2025

Olona 2 no fantatra fa namoy ny ainy tao anatin’ny herinandro teto amintsika

Card image cap