airtel

Fifamoivoizana

31-juil-2023

Fifamoivoizana

Talatamaty Olona roa maty nofaohan’ny fiara

Sample post image

Nitrangana lozam-pifamoivoizana nahatsiravina ny sabotsy lasa teo tokony ho tamin’ny 1ora sy 20 minitra atoandro teny amin’ny lalana mampitohy an’i Talatamaty sy Antanetibe

31-juil-2023

Antehiroka teo akaikin’ny toerana fanasan-damba. Fiara iray 404 bache no nifaoka olon-droa ka samy namoy ny ainy avokoa ireto farany na dia efa nentina teny amin’ny hopitaly aza. Nitolo-batana tamin’io Sabotsy io ihany moa ilay mpamily rehefa avy nitsoaka kely ka tsy nampanginin’ny feon’ny fieritreretany. Tsiahivina hatrany moa fa vokatry ny tsy fahatomombanan’ny fiara no miteraka ny ny 80%-n’ny loza izay mety hamoizana aina tahaka izao. Lohalaharana amin’izany ny tsy fanaovana fitsirihana ara-teknika na manao ihany fa manesika vola ka tsy hita maso akory ny tena fahatomombanan’ilay fiara. Eo ihany koa ny fahalainana mikarakara ilay fiara na ny tsy fanaovana entretien. Ny 20% ambiny kosa dia avy amin’ny tsy fitandreman’ny mpamily toy ny fandehanana mafy, ny fisotroan-toaka diso tafahoatra, ny fisetrasetrana….Alevina anio moa ireo olona namoy ny ainy ireo raha araka ny loharanom-baovao azo.
Nangonin’i Pati
Legende : Tahaka izao ny nanjo ireo olona namoy ny ainy sy ilay fiara !

 

Dans la même rubrique

22-mai-2025

Haharaisana fitarainana hatrany ny tsy fanarahan-dalana hataon’ireo taksibe eto

Card image cap
22-mai-2025

Nifampitadiavana ny vatana sy lohan’ilay mpandeha an-tongotra

Card image cap