airtel

Fifamoivoizana

13-mars-2025

TAXI BE an’Antananarivo

Tena mila alamina fa mampijaly vahoaka isan’andro

Sample post image

Filaharana lava be, ankisisika, fifanosehana. Izay foana isan’andro no iainan’iroe olona

13-mars-2025

mandeha takisibe eto Antananarivo renivohitra sy ny manodidina. Marina fa misy ireo zotra mandamina sy mandritra ny asany sy ireo mpandeha aminy fa ny 2/3 dia gaboraraka. Vao hiainga hianatra na hiasa amin’ny maraina izany dia efa adin-tsaina no misy, maro ireo mpiasa sy mpianatra no tara fidirana, miteraka sazy izany reefa miverimberina. Mody amin’ny hariva dia tena mbola tantara sy jeografia araka ny fomba fiteny.Milahatra sy misisika ary lany eo ami’ny 1 ora eo .mety mbola ihaotar an’izany aza.Ampian’ny tohamboivoy io , ka raha miala amin’ny 6 hariva eo analakely ohatra, dia amin’ny 8 ora alina any ho any vao mety ho tonga any Analamahitsy na Talatamaty na Itaosy.Raha atao izany ny kaonty dia lany eny ambony fitateram-bahoaka ny adin’ny 4 na adin’ny 5 isan’andro, izany hoe efa tonga any Antsirabe.
Raha ny fahitana azy dia tsotra y anton’ny fikorontanana : tssy misy fandrindrana mihitsy aoa natin’ilay koperativa na zotra fa ny mpamily sy ny resevera no maoa izay saim-panatny ka zavatra tokana ihany no tena mibaiko azy ireo matetika : feno ve ny versement ? Rehefa feno iny dia mbola miaritra kely manao tour 1 ohatra izy ireo dia vola am-paosiny indray iny. Tena tsy misy fiheverana ireo mpanjifa, izay tsy mitaingim-potsiny anefa fa mandoa saran-dalana. Amin’izao taona 2025 izao dia mbola ady saritaka ny fandehanana fiara fitateram-bahoaka eto an-drenivohitr’i Madagasikara. Raha alamina io dia azo alamina tsara, inona moa no antony tsy ifampiresahan’ny kaominina, ministeran’ny fitaterana, ny ATT sy ireo koperativa manana ztra mivoaka miditra an’Antananarivo ? Ny bokin’anrdraikitra rahateo efa misy , fa ny fanarahamaso no aotra. Ny didy aman-dalàna misy,ny fitsipika anaty misy…Sarotra no inoana fandrosoana sy fivoaran’ny tanàna izany raha ny fitateram-bahoaka isan’andro aza no tsy hay ny mandamina azy.
(Sary nindramina)
RTT

 

Dans la même rubrique

14-mars-2025

Saika miakatra amin’ny lalan’ny mpandeha an-tongotra avokoa amin’izao ireo mpamily

Card image cap