airtel

Fifamoivoizana

15-janv-2024

TAXI-BROUSSE NIVADIKA

Olona 03 naratra mafy, zazavavy kely ny iray

Sample post image

Nitrangana lozam-pifamoivoizana nahatsiravina indray 8 km atsimon’i Beroboka Atsimo,

15-janv-2024

ny faran’ny herinandro teo.Taxi brousse iray mampitohy an'i Belo /Tsiribihiana sy Morondava no nivadika tampoka noho ny antony tsy fantatra. Olona miisa 3 no naratra mafy vokatr’izany ka zazavavy kely iray manodidina ny 06 taona ny iray. Raha araka ny vaovao azo hatrany moa dia efa nanana olana ara-teknika ity fiara nivadika ity. Voalaza ihany koa fa efa reraka ilay mpamily ka na dia niezaka aza dia tsy voatanany intsony ny familiana. Efa manaraka fitsaboana moa ireo olona miisa 3 naratra mafy ireo raha efa eo am-panaovana fanadihadiana kosa ny mpitandro ny filaminana. Tsiahivina fa tokony hisy hatrany ny fanaraha-maso ireny taxi-brousse ireny mialohan’ny hiaingany eo amin’ny tobim-piantsonana iray. Lohalaharana amin’ireny ny tsindry hisatr’ilay fiara, ny entana ho entiny sao mihoatra ny tokony ho izy, ny isan’ireo mpamily raha mihoatra ny 400 km ny lalana haleha, ny taratasin’ny fiara….Betsaka anefa ireo tsy manao izany fa maika ny handeha sy hahazo vola fotsiny antony miteraka ny loza mahatsiravina tahaka izao matetika.
Pati
Legende : Ilay taxi-brousse nivadika !
 

Dans la même rubrique

16-mai-2024

Fetin’ny Pentekosta hieren-doza, io no tanjon’ny antokon-draharaha misahana ny

Card image cap
15-mai-2024

Mirongatra sy mahazo vahana ny lozam-pifamoivoizana eto amintsika.

Card image cap
15-mai-2024

Tranga roa samihafa no niseho teto amintsika Omaly Talata 14 May mikasika ny tsy fanarahan-dalana

Card image cap